DEPIOTE TSY MIANKINA?

Mbola tsy nivoaka akory irony didim-pitsarana
Dia nivadika sahady ireo nitonona ho “tsy miankina”.
Indreo nanohana avy hatrany ny mpanongam-panjakana
Ka dia gaga ny rehetra, tena zendana sy tankina.

Be dia be ireo mpifidy no voafitany dia roboka.
(Nihevitra azy ho solombava tena mahaleotena).
Kanjo izao mazava be fa miankina amin’ny “andry boboka”
Ireto depiote voalaza ho mpivadi-panekena.

Izany ve no hanao lalàna, izany ve no ho modely,
Nefa mbola tsy ao an-dapa dia mamalana sahady?
Mandiniha ka mihevera, ’ndeha re maka saina kely,
Sao tsy solombava ianao fa tena mpikarama an’ady!

DADAN’i ZINA (12-07-19)