EDITO 16 Jolay – Fitondrana Andry Rajoelina – Ny mahafinaritra ihany aloha fa tsy ny mahasoa

Helisoa

Efa ho 7 volana izao no nitondra ny tany sy fanjakàna ny filoha napetraky ny HCC sy ny CENI, Andry Rajoelina sy ny mpiara-miasa aminy. Nandritra izany dia tsy araka ny fampanantenana nipoapoaka tamin’ny fampielezan-kevitra no hita fa lasa entanim-po amin’ny zavatra misy tampoka no hita. Tsy misy programa mazava fa mbola fampanantenana poak’aty hatrany no habosesika ho ren’ny vahoaka Malagasy.

Miara-miaiky fa nitondra avo ny voninahi-pirenena ny BAREA ary reharehan’ny vahoaka Malagasy 22 tapitrisa manerana an’i Madagasikara izany. Fa ny indro kely dia adinon’ny filoha Rajoelina Andry fa firenena mahantra i Madagasikara, ary miaina ao anaty fahasahiranana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy, ka mila jerena maika ny mikasika azy ireo. Tsy ny BAREA irery ihany akory no atao laharam-pahamehana eto, fa ny fijerena ny fahasahiranan’ny tokantrano Malagasy mahantra sy tsy mihinan-kanina izay lasa jerem-potsiny.

Aoka hazava fa tontolon’ny baolina kitra eto Madagasikara dia misy zavatra marobe mila dinihana hakana ny hevitr’ireo mpitia baolina kitra rehetra fa tsy hoe entanim-po fotsiny ianao dia lazaina daholo izao fampanantenana poak’aty mampifalifaly vahoaka vetivety monja izao, nefa atao ohatra ny tsy misy iny avy eo. Vahaolana maharitra no mila hapetraka eto raha tiana ho lasa lavitra ny taranjam-panatanjahantena rehetra eto amin’ny firenena fa tsy fampanofisana vahoaka fotsiny no atao.

Manaraka izay, tsy ny taranja baolina kitra ihay no asiana resaka eto fa ny fiainan’ny vahoaka Malagasy amin’ny ankapobeny mihintsy. Ilay tena mankarary lasa safosafoina fotsiny hampandriana adrisa ny rehetra. Ilay fampanantenana bobaka be tamin’ny fampielezan-kevitra tsy mbola hita taratra mazava ny fanatanterahana azy na dia kely monja aza, fa ny zavatra vitan’ny mpitondra teo aloha no tokanana sy hireharehana etsy sy eroa havadika ho IEM. Raha akapoka ny resaka dia tsy ao anatin’ny sain’ny mpitondra TGV izany mihintsy ny fitenenana hoe “ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra”. Mety efa zatra nampifaly vahoaka tamin’ny fampisehoana angamba ny filoha ankehitriny amin’ny maha DJ azy, ka izay ihany no itondràny ny firenena.