Azony noraisina ary mba nisy kely nitombina ihany, saingy famahan-dalitra e!

Raha ny didimpitsarana nivoaka androany 2 Jolay 2019 dia azo noraisina ny fitarainana ary mba nisy kely nitombina, saingy famahan-dalitra ihany.

Mbola ho ela ny vahoaka vao hahatoky izany Fitsaràna Avo momba ny Lalampanorenana izany.

Nisy fitanana an-tsoratra tsy tomombana miisa 5 hono nalefan’ny Sampana mpanisa vato, kanefa BV 6 no lazaina fa tsy misy vokatra manan-kery.

664 no fitoriana voarain’ny HCC, kanefa:
– BV 14 ihany no nanafoanana vokatra raha tsy isaina ny distrikan’i Toliara II;
– raha ny amin’ny Toliara II dia vokatra avy @ BV 60 no nisy namotika, ka nanafoanana ny vokatra;
– dia mba vato 48 no nofoanana tao amin’ny BV iray tatsy, ary vato 100 tao amin’ny BV taroa;
– dia IZAY!

Toa lasa hoatrany resaka fanambatambazana izy izany ka tsipazana fotsimbary kely mbq hangina.

Miandrandra raha miandrandra ny mba hanoloana an’ireo HCC sy CENI ireo fa dia leo sy tofoka raha ny aty.