EDITO 27 Jiona – Parady ivelan’ny fitondrana Rajoelina – Tsy misy fiantraikany amin’ny aty vilanin’ny vahoaka

Sôh’son

Ity fitondrana ity no manonofy be indrindra hatramin’izay nisian’ny fitondrana nifandimby teto. Nambaran’i Andry Rajoelina fa ho sangany aty Afriika i Madagasikara ary natao mihitsy izay nanasana ny filoha roandey, Paul Kagame, izay nahavita nampandroso ny fireneny nanatrika ny fetim–pirenena Malagasy teo.

Ny fitondrana Rajoelina, na dia eo i Lalatiana Rakotondrazafy milaza ny tenany ho hendry sy manam-pahalalana, no tsy mba mandray io fitenenana io fa tratra izany amin’ny hoe: jereo aloha ny any an-tsikinana aloha izay vao miady varotra. Izy sy ny ekipany ao amin’ny fitondrana mihitsy, no variana amin’ny fampiderana fahaizana angaha, ka tsy mahita ny tokony hatao maika. Mety hivatravatra fiavy izy ireo miseho ho mahalala, kanefa maivana ihany ny fomba fijeriny ho amin’ny fitadiavam-bahaolana maika ho amin’ity vahoaka Malagasy ity. Tsikaritra fa manao ny fomba fanaon’ny teo aloha ihany ity fitondrana Rajoelina ity na dia midehaka ho tsy mitovy amin’ireo rehetra aza. Miseho ho babany izy kanefa tsy mankaiza firy. Ny fiaingàna tany am-piandohana efa maizimaizina kanefa toa miana-kendry ny haneho taratra mazava. Teo alohan’izay koa anefa ny ekipany niseho ho izy no tena tsy misy ohatra azy, kanefa nony niakatra an-kianja nampingoso sy nampianiana olo-maro. Ny vahoaka etsy ankilan’izany rehetra izany toa natao fitaovana hampiesonina fotsiny.

Tena bado sy badrahodra ve ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao? Ary tsy manana saina izy ka azo mbola anaovana teny fandrebirebena samihafa izao? Izay ve no anararaotin’ireo efa nahazo toerana eo amin’ny fitondrana ankehitriny ka mampiresaka ny vahoaka fotsiny mba ihazonana toerana sy ihazonana tombontsoa manokana? Dia karohina eo izay fampilalaovana azy azo atao rehetra, indrindra ao anatin’izao fanamarihana ny fankalazana ny fetim-pirenena izao, ka anaovana izay fety samihafa azo atao rehetra. Fa mampiova ny any anaty vilanin’ny isan-tokantranon’ny vahoaka inona moa izany? Tsy misy fiovàna izany mazava loatra, ary ny fahoriam-bahoaka ihany no atrehiny eo na miainga ao an-tranony izy na amin’ny mody hariva. Ny parady nanaovana vely vilany teny Mahamasina sy nisian’ireo miaramila vazaha nanao matso teny Mahamasina teny ireny tsy hisy fiantraikany velively any amin’ny aty vilanin’ny vahoaka akory.

Ny fanasana ny filoha roandey, Paul Kagame, teo iny tsy midika fa hahavita ny vitany akory isika ary tsy ho vita eto Madagasikara velively ny nataony izay nampandrosoany ny fireneny tany aminy. Aoka tsy hanonofy na hampanofinofisina ny vahoaka Malagasy, fa tsy ho modely na ho sangany aty Afrika izany velively i Madagasikara raha ny hita taratra ankehitriny, enim-bolana voalohany amin’ny fitondrana Rajoelina, izao no lazaina. Lainga be izay milaza izany ary mpandainga izay mbola mihoagahoaga manohana izany ary mpamita-bahoaka tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoan’ny tenany ihany. Tena fanetriben’ny firenena ankehitriny ireny.