Mihosin-drà ny 26 Jiona 2019

Ny fisehosehoana, mipoapoaka, ny teny, atao betsaka, kanefa ny fandaminana manodidina an’i Mahamasina amin’izao andro fankalazana ny fahaleovan-tena tsy voasahana.

Vokatr’izany, 15 no namoy ny ainy ary 75 no naratra araka ny nambaran’ny manam-pahefana.

Vao enimbolana izay dia fambara ratsy daholo no mitranga. Ny halabato amin’ny fifidianana etsy an-daniny.

Raha ny hatreto aloha dia be no tofoka amin’i Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy.
Mitohy ve ny lanona ry Rajoelina sa ho asiana lanjany ny ain-dRamalagasy?