FETIN’NY MPAMITAKA

Saina Malagasy misaona

Hifaly vetivety ireo gasy mahonena
Fa tonga indray ny fety, ny fetim-pirenena.
Hisesy ny korana, ny matso sy afomanga,
Hafana dia hafana ny hetsika hitranga.

Alàna aloha ny saona f’ity no hojerena,
Dia ny tsingerintaonan’ny fahaleovantena.
Ka mody mba hitsiky sy hiarina tsy fidiny
’Reo noana mitokiky, mahantra faraidiny.

Hampiasa ny hevi-petsiny ’reo manana ai-mateza.
Handany an’hetsiny hetsiny, mba hoe hiarovan-tseza
Satria ny zava-bitany, tsy misy izay mivaingana,
Ka fitaka no hitany fa vahaolana haingana.

Vahoaka no fitahina, toloram-petifety.
Amboarina ho pahina, tsy hahita ny tsy mety.
Amboarina hanadino ny fahantrana lalina,
Sao farany mba hino “masoandro sasak’alina”.

F’ilay maraina vao, natao mba hampibitaka,
Tsy hita hatramin’izao fa tena toky fitaka.
Tsy fantatra, tsy hay hoe iza no mandainga,
F’i “Lamasininay”, mihisatra, tsy miainga!

SEDERA RAVALISON (25 jona 2019)