EDITO 18 Jiona – Fetim-pirenena, hifety ny vahoaka na sahirana aza

Isambilo

Afaka 8 andro sisa dia higadona ny 26 jona, hankalazana ny fetim-pirenentsika eto Madagasikara. Hetsika maro samy hafa no hanamarihana izany amin’ity taona ity. Ny herinandro lasa teo, efa maro ireo faritra eto amin’ny Nosy no nanomboka nankalazana izany faha-59 taona niverenan’ny fahaleovantena izany, mbola hitohy amin’ity herinandro ity izany, hitohy amin’ny herinandro ambony ary tsy hifarana raha tsy amin’ny alin’ny 26 jona.

Na azo lazaina ho anatin’ny fahasahiranana tanteraka aza ny vahoaka Malagasy ankehitriny, noho ny antony samy hafa: fahefa-mividy ambanin’ny vahoaka, vidim-piainana midangana, tsy fandriampahalemana miseho lany etsy sy eroa, sns… hifety ihany ny vahoaka Malagasy toy ny isan-taona, satria andro iray toa zato ho an’ny Malagasy ihany koa izany fetim-pirenena izany, toy ny fetin’ny taom-baovao ihany. Amin’ny vanim-potoana toy izao, toy ny amin’ny fetin’ny voalohan’ny taona, dia mikimpy koa ny rehetra manao ny mety ho fiaraha-mifaly amin’ny sakafo, ka mamono vorontsiloza ho an’ny mahatakatra izany, akoho amam-borona ho an’ny hafa, mamono omby sy ny maro hafa,…

Fa tsy toy ny an’ny fitondrana hoe: foanana ny fiaraha-misakafo eny Iavoloha ao aorian’ny matso, ny maha-fety ny fety dia ny fiaraha-misakafo, fiaraha-mifaly, sa olom-bitsy ihany avy eo no ho hasain’ny fitondrana amin’io tolakandron’ny 26 jona io, fa ny Malagasy indrindra ny avy any amin’ny faritra dia ho jerena fotsiny. Nefa fotoana koa io, mba hiakaran’izy ireo ny renivohitra, amin’ny maha-mpisolotena an’izy ireo ny avy any ambany ravin-kazo rehetra any.

Zava-dehibe izany fiverenan’ny fahaleovantena izany rehefa nozanahan’ny Frantsay nandritra ny 64 taona isika tamin’izany fotoana izany. Ny 6 aogositra 1896 tokoa no lasa zanatany Frantsay i Madagasikara, ary tsy nahaleotena indray raha tsy tamin’ny 26 jona 1960. Vanim-potoana lehibe eo amin’ny tantaram-pirenena izany, ka tsy tokony hatao ambanin-javatra, na inona na inona zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny, na inona olana politika misy amin’izao fotoana.