Fifidianana depiote – Hamoaka ny voka-pifidianana vonjy maika ny CENI anio

Hamoaka ny voka-pifidianana vonjy maika ny CENI anio eny Alarobia, nampahafantatra izany izy ireo ny alakamisy teo. Tamin’izany koa no nanazavany ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Vita tanteraka ny alarobia teo ny fikirakirana ny voka-pifidianana Solombavambahoaka. Tonga avokoa ny vokatra avy amin’ireo distrika 119.

Rehefa natao ny fikirakirana hoy ny CENI dia : 14 no isan’ny fitanana an-tsoratra manambara ny tsy fanjariana fototra ny tsy fanjarian’ny fifidianana (PV de carence) : ny 6 dia manambara ny fahitana fototra ny tsy fanjarian’ny fifidianana (3 vokatry ny tsy fisian’ny fifidianana mihitsy : Maintirano, Mampikony, Ambovombe), ny 3 hafa kosa dia vokatry ny tsy fahatongavan’ny voka-pifidianana mihitsy teny amin’ny SRMV (2 Ambilobe, 1 Ifanadiana). Ny 8 kosa dia avy min’ny distrikan’Analalava : misy ny vokatra voaray saingy nandefa fitanana an-tsoratra manambara ny fahitana fototra ny tsy fanjarian’ny fifidianana niaraka tamin’izany ny SRMV, misy ny tsy ara-dalàna ka nanaovan’ny SRMV izany. Taha-pandraisana anjara : 40,71%. Beloha Androy : 63,93%, Antananarivo IV : 18,41%.

Teo amin’ny fampitahana ny fitànana an-tsoratry ny voka-pifidianana: aman’arivony ireo fangatahana hanao fampitahana saingy 837 amin’ireo no nekena ary nanatontosana fampitahana fitanana an-tsoratra avy amin’ny distrika miisa 23. Efatra (04) tamin’ireo no nahitana tsy fitoviana : 2 avy ao amin’ny distrikan’i Soalala, 1 Arivonimamo, 1 Ambositra. Marihina fa na misy na tsia ny tsy fitoviana dia tsy afaka manova na manitsy ny voka-pifidianana ny CENI. Manao fitanana an-tsoratra iraisana kosa ny roa tonta (kandida sy ny CENI) ary halefa any amin’ny HCC izany. Momba ny fitarainana sy fitoriana voaray: 71 ireo fitoriana voarain’ny CENI. Mbola raisina ireo fitoriana mifandraika amin’ny tsy fanarahan-dalàna mandritra ny fampielezankevitra sy ny andro fandatsahambato hatramin’ny anio sabotsy 15 Jiona, fotoana hamoahan’ny CENI ny voka-pifidianana feno vonjimaika.

Ho an’ireo fitoriana sy fitarainana mikasika ny tsy fanekena ny voka-pifidianana kosa dia mandritra ireo 48 ora aorian’ny famoahan’ny CENI ny voka-pifidianana feno vonjimaika no hahafahana mametraka izany eny anivon’ny HCC. Mahakasika ny tatitra avy amin’ireo mpanaramaso fifidianana: fito (07) amin’ireo fikambanana 39 nomen’ny CENI fankatoavana hanaramaso ny fifidianana solombavambahoaka no nahatonga tatitra teny anivon’ny CENI. Na dia tapitra ny 6 Jiona aza ny 10 andro omen’ny lalàna hanaterana izany tatitra izany dia mbola mandray izany tatitra izany ny CENI.

Eo amin’ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika, anio sabotsy no hamoaka voka-pifidianana feno vonjimaika ny CENI. Hasainy hanatrika izany ireo solontenam-panjakana, ireo kandida nilatsaka hofidiana ho solombavambahoaka izay afaka, ny fiarahamonimpirenena, ireo mpiaramiombonantoka ary ny haino amanjery. Aorian’izao fifidianana Solombavambahoaka izao dia miomana amin’ny fikarakarana ny fifidianana ben’ny tanàna indray ny CENI. Hisy avy hatrany aorian’ny famoahana ny vokatra feno vonjimaikan’ny fifidianana Solombavambahoaka ny fivoriamben’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny CENI hamolavolana tetiandro sy tetibola mikasika izany.

Nangonin’Isambilo