Ravao ny CENI! Tsy ilaina intsony mikarakara fifidianana Ben’ny Tanàna! 0/20!

Fikarakaràna ny fifidianana – Tonga ny fotoana tokony hanovana ny CENI

Helisoa

Mbola tsy nikatona akory ny fery tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika teto Madagasikara, izay nanjakan’ny hosoka sy ny halabato be vata teto amin’ny firenena dia natao indray ny fifidianana depiote ny 27 mey lasa teo.

Tokony mba nahay naka lesona ny CENI nikarakara io fifidianana io, satria efa nampanantena ny vahoaka Malagasy sy ny antoko politika izy ireo fa hanatsara ny fomba fiasa mba tsy hisian’ny fimenomenomana intsony, fa ho ao anatin’ny mangarahara sy fahamarinana ny fifidianana. Tsy araka ny nampanantenain’ny CENI anefa no nitranga, fa vao maika marobe ny fitarainana vokatry ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny kandidam-panjakàna izay toa mijery fotsiny sy tsy ahitanteny ny CENI manoloana izany.

Vokany, misy ny fihetsiketsehana ataon’ireo vahoaka manohitra ny halabato sy ny hosoka ary ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitondra fanjakàna rehetra manomboka any amin’ny filohampokotany, ka hatrany amin’ny filohan’ny Repoblika. Tsy natahotra ny ramatahora ireo vahoaka tamin’izany, fa nijoro niharo ny safidiny hatrany. Vao omaly ny omaly no nijoro ireo collectif des candidats nanatitra taratasy fitoriana miaraka amin’ny porofo teny amin’ny HCC izay hitany nandritra ny fampielezan-kevitra sy tamin’ ny andron’ny fifidianana, mba tsy hisy intsony ilay filazàna hoe “azo raisina fa tsy mitombina”.

Tsy nanavahana antoko politika ity collectif des candidats ity fa hita tao avokoa ny ankolafinkery rehetra toy ny antoko politika sy ireo tsy miankina izay naneho ny firaisankinany hanohitra ny tsy rariny eto amin’ny firenena. Tao anatin’izany no nanaovan’izy ireo famelabelarana arahina adihevitra (conférence débat) tao amin’ny LIVE HOTEL Andavamamba, namotsipotserana ny fahotana mahafaty nataon’ny TGV tarihin’ny filohany Andry Rajoelina. Nanampatra ny fahefàny ity farany, ka tsy nahatsapa intsony fa mandika lalàna izy FILOHAN’NY REPOBLIKA manao fampielezan-kevitra ho an’ny kandida natolotry ny antokony IRD. Tao anatin’izany dia nampiasain’i Andry Rajoelina ireo manana fahefàna hanao ny fomba rehetra hampandàny ny kandidam-panjakàna, izay tena voararan’ny lalàna tanteraka izany.

Ankehitriny, hamoaka ny valim-pifidianana ny CENI androany sabotsy 15 jona izay efa tsy atokisan’ny Malagasy maro an’isa fa tsy hisy fiovàna ny vokatra havokany eo fa tsy maintsy ny fandresen’ny IRD izay efa, nambaran’i Andry Rajoelina tany Paris fa miisa 80 no tsy maintsy hambarany eo, na dia efa hita izao aza ny halatra sy hosoka ary tsy fanarahan-dalàna no ataon’ity farany tamin’izany.

Mandrangaranga fifidianana ben’ny tanana indray hoe mety atao amin’ny volana septambra na oktobra izy ireo, nefa ny fifidianana depiote aza ity tsy milamina. Fa inona no mahamaika, tsy aleo ve aloha mandinika kely ianareo satria avy aminareo no isan’ny niavian’ny fanafintohinana tsy mamparisika ny Malagasy hifidy sy ho LEO FIFIDIANANA?

Raha mbola io CENI amin’izao endriny izao io no mikarakara fifidianana dia aza manantena ry Malagasy fa dia ho lasan’ny Mapar 100% avokoa ny toeran’ny ben’ny tanàna manerana an’i Madagasikara na hanao inona na anao inona isika.

Tonga ny fotoana, tokony hanoloana sy hanavaozana io CENI io. Vao mainka miha-ratsy miha-ratsy hatrany mantsy ny fikarakaràna fififidianana ataon’ny CENI, ka tsy misy antenaina aminy izany hoe fifidianana ao anatin’ny fahamarinana izany .