EDITO 13 Jiona – Fitondran-dRajoelina – Fitondrana ratsy tantana

Rajaonarimpanontsana

Rehefa ny lohany no matsatso, tsy azo antoka ho tsara izay ny vokatra. Raha ny filoha no tsy mahay mitantana dia tsy misy azo antenaina ny aminy. Izay no kisary hita amin’izao fitondran-dRajoelina mijoro izao. Teren-ko masaka toa voalobo-jaza izay hambara fa hitondra fampandrosoana an’i Madagasikara, ka hatrany amin’ny zavatra madinika avy no lazaina fa tetik’asa IEM, na koa velirano natao tamin’ny vahoaka. Vokatr’izay tsy fahaiza-mitantana izay dia manaotao foana ary ohatra amin’ireny ny nanipahan’ny HCC ambavafo ilay fitsapan-kevibahoaka saika nampiarahana tamin’ny fifidianana solombavambahoaka teo. Dia ny tena no menatra ary raha filoha tany ivelany no voan’izay dia efa naka fanapahan-kevitra mifanandrify amin’izany. Fampiesonana no betsaka amin’ny lazain’ny fitondrana, fa ny tena mahakasika ny sosialim-bahoaka mivantana tsy misy akory.

Raha jerena ilay LFR dia fampitomboana vola ampiasain’ny Prezidansa sy ny Primatiora no betsaka ary na ny minisitry ny vola aza dia nanamarika fa miandry ny taona 2020 vao afaka hiasa hanao fotodrafitr’asa goavana ity fanjakana ity raha mahay mitantana. Hanao inona izany ity fitondrana ity mandram-pahatongan’ny herintaona? Mihinana sy mandany vola izany no atao ao?

Fanontaniana mbola tsy ahitam-baliny koa ankehitriny ny bolongam-bola ampiasaina amin’ilay vina IEM, vola avy aiza no ampiasaina. Tsy mbola mazava mihitsy. Vola fanampiana avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra iraisam-pirenena, toy ny FMI sy Banky Mondialy sa vola avy any Dubai, na Chine, na firenena hafa no hanatanterahana ilay IEM ve? Ny hita aloha dia ankasitrahan’ny FMI ny IEM fa ny fepetran’izy ireo no tsy maintsy harahana eto amintsika, tsy miraharaha izay IEM any ny mpamatsy vola mahazatra.

Dia ho voafatotry ny nataony eo raha tsy mahay mitandrina. Mbola tsaroan’ny mpanara-baovao tokoa mantsy ny fanaovana ny tantely afa-drakotra ny harem-pirenena teto nandritra ny fitondrana tetezamiitatra, 5 taona ngarangidiny ary tsy mbola nisy nandiso koa ilay fitenenan’ny Ntaolo Malagasy manao hoe : tanana efa zatra nitsotra , tsy afaka ny hivonkona intsony.