FIARAHA-MITANTANA IREO VONDRO-NOSY ?

Fiaraha-mitantana indray no hindraina
Satria ve ‘nareo efa tena voavidy?
Mba mieritrereta, ampiasao re ny saina,
Sa “gadra” ka efa tsy manan-tsafidy?

Voavidin-dry zalahy ohatrinona ange
No tsy manan-kalahatra fa migorasy?
Mba mahalalà menatra olona re.
(Sa dia efa tsy manana ra Malagasy?)

Fa hay dia anarany foana ilay hoe
Lamasinina katraka ambony vitesy?
Jereo fa toa tena mihisatra be
Vao nanainga dia efa tombanana ho resy!

Ny Tanora gasy efa Vendrana angamba
No tia menasofina hiara-mitantana.
Ireo no voavidy ka nanjary jamba,
Raha toa ka ambara amin’ny teny mivantana.

DADAN’I ZINA (05-06-19)