2009 no mankaty – Marisarisa amin’ny fametahana sainam-pirenena ny vahoaka

Helisoa

Nanomboka ny taona 2009, nisian’ny fanonganam-panjakàna teto amin’ny firenena no mankaty dia marisarisa amin’ny fametahana ny sainam-pirenena ny ankamaroan’ny vahoaka, amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena toy izao, misy mihitsy aza ireo milaza fa nisaona ny sainam-pirenena Malagasy nandritra izay vanim-potoana izay, satria mpanongam-panjakana, mpivarotra tanindrazana no mitondra ny firenena, mamadika ny tolon’ireo ray aman-dreny tia tanindrazana tany aloha, nitaky ny fiverenan’ny fahaleovantena izay azontsika ankehitriny izao.

Marobe ny fanentanana natao hananganana saina rehefa tonga ny fetin’ny fahaleovantena 26 jona satria fanehoana fitiavan-tanindrazana izany, saingy tsy nampiraika ny ankamaroan’ny Malagasy intsony izany ankehitriny. Tsy hita intsony ny saina mikopakopaka manerana ny tokantrano Malagasy fa zara raha misy mitsangana.

Ny zavatra fantatra aloha rehefa natao ny fanadihadiana teny ho eny dia fanehoan’ny vahoaka ny tsy fankasitrahany ny mpitondra no antony tsy hananganany saina. Tsy mba afaka maneho hevitra an-dalambe mantsy fa tonga dia baomba mandatsa-dranomaso no mitsena izay mitady hihetsiketsika hanohitra fitondràna. Tsy fananganan-tsaina no hevitra hitanay hanehoana izany hoy ireo olona sendra tafaresaka tamin’ny gazety, rehefa fanjakàna tsy refesi-mandidy, mpangala-bato, mpivarotra tanindrazana no misy. Aminay hoy izy ireo dia misaona ny sainam-pirenena Malagasy nanomboka ny taona 2009.