Taratasin’ny mpamaky ny Gazety Valosoa Vaovao

Midera ny vahoaka any amin’ny faritra mahasahy mijoro hatramin’ny farany ho fiarovana ny voka-pifidianana misy mitady hanodina: Bealanana, Bekily, Ambositra, Sakaraha, efa andalana ny any Mahajanga,sns… Toa ho manerana ny nosy ity.

Efa miteny aho hoe tofoka tanteraka amin’ny halabaton’ny Mapar/IRD/TGV ny vahoaka. Mihevitra ny vahoaka ho toy ny ampondra mihitsy izy ireo, misy farany io fandeferan’ny vahoaka io.

Ho vaky ny takotra: tsy hitory any amin’ny HCC sy CENI ka tsy hanaiky intsony mihitsy ny vahoaka fa hijoro hatramin’ny farany araka ny nambaran’izy ireo.

Rehefa ny an’ny faritra izay no mihetsika dia tsy ho tananano intsony mihitsy ninoninona ataoanao.

Manabado sy manao tsinontsinona ny safidimbahoaka loatra ity fitondrana Andry Rajoelina mpanongam-panjakana sy mpandika lalàna ity.

Antoine Brady Ranaivoson
Lot… Tanamborozano
Toamasina