HO AN’ILAY VAOMIERA MITONONA HO MAHALEOTENA

Samy tompon’andraikitra hoe?
Aza tia miala bala r’ise,
F’ianareo no nanaiky ny ho eo
Ka tantazo, aza mampiaka-peo!

Tsy vahoaka na koa ny mpifidy
No manapaka na koa mandidy,
F’ianareo izay vaomiera mpandrindra,
Ka ny andraikitrareo aza afindra.

Iretsy “lesoka be”, ‘ndeha ekeo,
F’aza tia miala bala ianareo.
Mihamitombo ihany ity ny tsikera,
Ka dia mba mandiniha ry vaomiera.

Aza miomana ny hiziriziry,
Aza mihevitra koa ny hikiry.
Mahamety ny miala indraindray
Rehefa hita fa zava-tsy hay !

DADAN’I ZINA (30-05-19)