EDITO 11 Mey – Fitondrana Rajoelina: fitondrana mamahan-dalitra vahoaka

Rajaonarimpanontsana

Tranon-dainga, mpamahan-dalitra ary mpamita-bahoaka gaigilahy ny fitondrana misy amin’izao fotoana izao. Raha tsiahivina tamin’ny voalohandohan’ny taona 2018, fony izy mbola vao hirotsaka ho kandida filoham-pirenena dia nanambara ho ren-tany ho ren-danitra ny filoha Andry Rajoelina fa na afaka 30 na 50 taona aza isika tsy handroso velively raha mbola miankin-doha amin’ireo mpamatsy vola mahazatra. Vao tamin’ny fiandohan’ity volana mey 2019 ity anefa dia mailaka mihitsy ny tenany fa atokisan’ny Banky Iraisam-pirenena,… ary nahazo fanampiana vola izay indramina na trosaina i Madagasikara, vola an-jatony tapitrisa dolara amerikana hanatanterahana tetik’asa ary ny filohan’ny Banky Iraisam-pirenena mihitsy no tonga nanatitra izany, izay mbola taratasim-bola aloha no misoratra hatreto. Fantatr’ireo mpamatsy vola mahazatra ireo ny tetik’adin’ny fanjakana, ka mba tsy hironana any amin’ireo firenena Sinoa na Rosiana, na hafa dia tsy maintsy gejaina amin’ny volabe aloha i Madagasikara.

Teo aloha teo tokoa mantsy , tamin’ny fotoanan’ny Tetezamita dia tany amin’ireo firenena matanjaka toy ny kely maso, ohatra, no nandoalihan’ny fitondrana, miampy ireo firenena Arabo lazainy fa namany. Tsy nisy fanaraha-maso ny toe-karena Malagasy nandritra izany fotoana izany fa dia natao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Lazaina foana fa nandritra ny Tetezamita dia tsy nahazo fanampiana isika kanefa nahavita nanondrotra karaman’ny mpiasam-panjakana; nahavita izatsy na izaroa. Vola taiza avokoa àry ireny nampandehanana ny firenena ireny nandritra ny 5 taona nitondrany? Tsy nahafaly ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena mahazatra io fihetsiky ny fitondrana Malagasy io ka izao ahitsiny amin’ny fampindramam-bola be izao, mba hiverenan’i Madagasikara ao am-balany. Kenda tanteraka ny fitondrana, ka raha hiroso maty Raibe , hihemotra maty Renibe.