EDITO 2 Mey – 100 andro nanofisana i Andry Rajoelina

Rajaonarimpanontsana

Mitohy hatrany ny fampandriana adrisa ataon’ny fitondrana ary hita taratra tamin’ny kabary, teny amin’ny Lapan’ny kolon-tsaina sy fanatanjahantena, teny Mahamasina ny kobaka am-bava, izay tsy misy ifandraisana amin’ilay vina IEM velively. Nambara fa ny vidin’ny herinaratra eto Madagasikara no kely indrindra eran’i Afrika kanefa ny vola alain’ny mpandraharahan’ny solika amin’ny vahoaka mihoa-pampana. Mahagaga, hoy ny fiteny iray izay.

Fa iza moa no mpandraharahan’ny solika matanjaka eto fa tsy ireo namany sy mpandraharaha mpanefoefo akaiky azy ihany? Ao ny Frantsay, eo koa ny mpandraharaha Malagasy sy Sinoa ary Karana. Samy manao izay tiany izy ireo ary manana mpiaro tombontsoa ao anaty fitondrana. Ny resaka karaman’ny mpiasa koa mbola any an-kibon’ny omby fa vava fotsiny no ambaran’ny filoha ary ny vahoaka hatrany no mizaka ny fiakaran’ny vidim-piainana isan’andro vaky. Tanisaina foana ny resa-bola azon’ny firenena Malagasy avy any amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, fa tsy misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro mihitsy aloha hatreto.

Nandritra izay 100 andro nitondran’i Andry Rajoelina izay izany dia ny resaka no betsaka. Mbola mitohy ihany ny fanofisana eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Mampiaka-peo koa ankehitriny ireo mpandraharaha mpampiasa solika eto Madagasikara, fa tsy mba nisy fakan-kevitra avy any amin’izy ireo. Ny vahoaka Malagasy hatrany anefa no mitaty ny vokatry ny fampiakarana izany ary sahala amin’ny vazaha mody miady ny fitondrana sy ny mpandraharahan’ny solika. Ny vidin’ny Jiro sy Rano efa tsy takatry ny fahefa-mividin’ny mponina, mbola manampy trotraka ny halafon’ny sara-pitsaboana. Ny fianaran’ny zanaka Malagasy tsy lazaina intsony. Ny tsy fandriampahalemana manao ny ataony. Dia mbola ampiana fampanofisana indray. Ny nahavariana dia ny filazana fa mety hihàtra eto amintsika ny fahatapahan-jiro ary asaina miharitra kely indray ny vahoaka raha toa ka tsy ahitam-bahaolana ity vidin-jiro sy solika ity. Fa hanao inona izany ny fitondrana? Natao hamaha olan’ny vahoaka no nifidianan’ny olona azy fa tsy ny fampahoriana azy indray.

Tsaroan’ny mpanara-baovao koa ny filazana nandritra ny fihaonan’ny filoham-pirenena sy ny GEM teny amin’ny Carlton fa tsy hanova lalam-panorenana ny tenany, ankehitriny anefa hanova izany indray ny filoha Andry Rajoelina. Tsy fantatra intsony izay tena marina atao eto amin’ity Firenena ity. Inoana marimarina fa afaka 100 andro manaraka dia hiova indray ny fomba fiteny. Efa tsy vitsy ireo miteny fa rehefa tsy zaka ilay mitondra firenena dia tokony hametra-pialana dieny izao ny Filoha Rajoelina.