EDITO 27 Aprily – Fitantanam-pirenena – Aok’izay ny famitahana ny vahoaka

Sôh’son

Maresaka ankehitriny ny adihevitra momba ny fikasana haha-mirazotra ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fanitsiana ny lalampanorenana. Niaraha-nandre iny ny fanapahan-kevitra avy amin’ny HCC nivoaka ny alakamisy hariva teo iny, izay nandrara fa tsy azo tanterahina io fanitsiana ny lalampanorenana io raha tsy aorian’ny fitsanganan’ny fahefana mpanao lalàna. Soa fa izay no niseho. Mikisary endrika fandrebirebena vahoaka ihany, alao hazava, ny fampiarahana zava-droa loha lehibe amin’ny vahoaka sy ny firenena amin’ny andro iray amin’ny fifidianana izay ny iray efa nomanina efa ela fa ny faharoa notampotampohina. Toa natao vonjy tavan’andro mihitsy aza ny fahitana azy ary toa vonjivonjena toy ny “tsinain-kena “ araka ny fitenenana, izay nilazana ho fiarovan-tena hoe fitsitsiana. Moa tsy hisarika ny saina izany hikaroka hoe: inona indray ny kajikajy politika amin’izany, satria efa fanaon’ireo eo amin’ny fitondrana ankehitriny hatramin’ny nikatsahany izao toerana izao izany? Raha tsy hitodika ny vao tsy ela, dia ny kajikajy politika nataon’ny antokon’ny fitondrana teny amin’ny Parvis Analakely mody hoe mitolona kanefa manao kajy hikatsahana fitondrana, ka namitahana vahoaka.

Raha ny zavamisy ankehitriny, ny tsapa dia tsy nojerena mihitsy izay ho akony any amin’ny vahoaka sy ny firenena toy ny natao tamin’ny fifidianana ny lalampanorenana nataon’izy ireo tamin’ny taona 2010. Dia ilay kitoatoa natao tamin’izany fotoana izany no nampidi-kizo ny zotram-piainan’ny firenena mandraka ankehitriny mihitsy, rehefa avy nahita ny maizina tao anaty fitondrana Hvm. Efa nofitahina ny vahoaka maro an’isa tamin’ireny satria iaraha-mahalala ny taham-baton’ireo mpifidy nandany ny lalampanorenana. Mazava loatra fa vitsy an’isa ihany no hany mahalala tanteraka io lalampanorenana io, ary nentina an-jambany fotsiny nandritra ny taona maro ny vahoaka Malagasy, dia niaraha-nahita tsara ireny ny zava-nitranga teto. Na dia kasaina hokitihina aza ny sasantsasany amin’ny andininy amin’io, moa hanova ny tsy fahalalan’ny vahoaka azy io manontolo izany? Tsia. Marina araka izany ny tenin’ny filoha nasionalin’ny antoko Tim, Marc Ravalomanana ny amin’ny filazana fa tena tsy tokony hatao maimaika toy izany ny fanitsiana ny lalampanorenana, fa tokony hisy ny fiaraha-midinika ny rehetra raha te-handroso marina isika. Fitondrana ao anaty maizina ny vahoaka sy ny firenena ny fanaovana tefy maika sy vonjy tavan’andro ny fototra mamaritra ny lalan-kizorana toy izany. Porofon’izany io lalampanorenana nolaniana tamin’ny andron’ny tetezamita izay tiana hokitihina io indray ankehitriny. Dia mbola inoana fa hikitika zavatra hafa ao anatin’io indray ireo amin’ny manaraka.

Aoka hakarina ambonimbony kokoa sy amim-pahendrena ny fomba fitantanana ny firenena.