Marc Ravalomanana – Hanao lalàna mitsinjo ny vahoaka ny kandida depiote TIM.K25

Helisoa

Tany Toamasina ny filoha Marc Ravalomanana nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ny kandidà depioten’ny vondrona TIM.K25 any amin’ny faritra Atsinanana, toy ny avy ao Toamasina voalohany sy faha-2, ny avy any Brickaville ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Magro Tanambao V.

Nazavain’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra izany ny asa sy ny zavatra miandry ny solombavambahoaka dia ny fanaovana lalàna sy fandaniana lalàna, izay mitsinjo ny vahoaka sy ny tombontsoan’ny vahoaka. Eo ihany koa ny fihainoana ny vahoaka sy ny fanaraha-maso ny asan’ny governemanta. Vahoaka mahay mandray andraikitra ny eto Toamasina, ary koa tia fandrosoana hatramin’izay, ary hijoro hatramin’ny farany amin’ny fotokevitra izay ijoroantsika, hoy ihany Dada. Olom-baovao manana ny maha-izy azy avokoa ireo kandidà TIM.K25 ao amin’ny faritra Atsinanana, toy ireo kandidà amin’ny faritra hafa ihany koa. Porofo izany fa manana olona ny TIM.K25 ary manana solofo mpandimby eo amin’ny sehatra politika, ary manamafy ny maha-antoko anisan’ny maha lehibe indrindra azy eto amin’ny firenena.