ETO IHANY NY FANALAHIDY

Tanatin’ny volana telo
Dia tena mba nampalahelo
F’inefatra ve no nivoaka?
Majifa ny volam-bahoaka!

Ny akama no indreo misonanina
Sy faly mandeha raopilanina,
F’iretsy vahoaka tazano,
Vao mainka idiran’angano!

‘Zay hoe fitsitsiana tsy misy.
(Tsy anatin’ny ranao mihitsy!)
Fa ny hany mba hita mibahana
Dia tsy inona fa fidedahana!

Tsy ireo any ivelany anie
No hanolotra ny lakile
Fa isika izay masi-mandidy
No mitana ny fanalahidy!

K’aza dia lany andro mivoaka.
Mipetraha rehefa tsy misy hapoaka.
Tsy Maorisy na koa Senegaly
No hanafaka antsika amin’ny jaly!

DADAN’i ZINA (11-04-19)