EDITO 13 Aprily – Filan-kevitry ny ministra – Mametraka ny olony hatrany Mamy Ravatomanga

Rajaonarimpanontsana

Mametraka ny olony tsikelikely isan’ambaratongany eny amin’ny sampan-draharaham-panjakana indray ny fitondran-dRajoelina, ka Tale avy ao anatin’ny haino aman-jerin’ny M3TV izay orinasan’ny tanana ankavanan’Andriamatoa Mamy Ravatomanga no napetraka ho tale Jeneraly vaovaon’ny ORTM (Office de la Radio Télévision Publique de Madagascar ), nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo, tsy iza izany fa i Belalahy Jean Yves, nandimby toerana an’i Joahary Ravoajanahary.

Marihana fa to teny tsy azo ivalozana ao an-dapa ao io namana akaiky ny filoha io ary tsy maintsy mandalo any aminy avokoa izay tetik’asa rehetra tanterahan’ny filoham-pirenena. Tsy mahagaga raha mahazo toerana avokoa ireo akamakama rehetra. Mampahatsiaro ny tamin’ny fitondran’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimapianina ity tranga ity izay ramatoa vadiny, Voahangy Rajaonarimampianina no mitondra ny baolina, rangahy kosa mpanatanteraka izay lazaina fotsiny, na mety, na tsy mety no atao.

Araka ny fantatra dia olona manana raharaha tsy mazavazava any ivelany any ity tanana ankavanan’ny mpitondra ity tamin’ny fahazoana harena tsy fanta-pototra. Raha mitohy ny fanadihadiana dia tsy maintsy ho voasaringotra ao anatin’izay koa ny filoham-pirenena Malagasy. Rehefa misy ny filan-kevitry ny Governemanta na filan-kevitry ny Minisitra isaky ny herinandro dia miomankomana avokoa ireo mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena fa tsy maintsy ho voadaka ary mitaintaina tahaka ny sahobakaka ambody riana ny ankamaroany rehefa tsy olon’ny fitondrana. Miova sata, miova andriana, araka izay fitenenana iray izay, fa manahirana kosa raha olona teknisianina, manam-pahaizana , efa manana traikefa no esorina rehefa tsy mitovy firehana amin’ny mpitondra na sarotra avilivily. Mazava ho azy fa hisy indray izany ny fanovan-drafitra ao anatin’ny ORTM ao, ka izay mampetipety ny fanjakana no tsy maintsy tanterahana. Isan’izany ohatra ny fampitana mivantana ny hetsika fanombohana ny fanamboarana ny Rovan’i Manjakamiadana. Efa tsy atao mahagaga ihany koa ny fandaharana ao amin’ny TVM amin’izao fotoana izao, izay tsy mitsahatra mamoaka ny vaovaon’ny TGV na MAPAR sy ireo olona mpisolelaka amin’ny fitondrana. Sahala amin’ny hoe an-dry zareo irery ihany io haino aman-jerim- panjakana io.

Efa mandeha koa ny feo ao anatin’io Radio sy Televiziona Malagasy io fa tsy mahazo mamoaka feo na sarin-dranona na i ranona. Izany hoe: izay heverina ho adversera politika dia tsy mahazo mandeha.