EDITO 6 Aprily – Vina IEM, vina mampiesona koa

Rajaonarimpanontsana

Inona ary firy amin’ny Vina IEM izao no vita sy azo tsapain-tanana misongadina notanterahan’ny fitondrana Rajoelina, na manomboka ny fanatanterahana azy. Resabe avokoa ny ankamaroany fa lasan-ko vavany avokoa izao rehetra izao. Ohatra amin’ireny ny hoe: raha vao tonga eo amin’ny fitondrana aho (ingahy Andry Rajoelina) dia hampiakatra ny karama farany ambany ho an’ny mpiasam-panjakana ho 200.000 Ar. Tanjony koa ny hampiakatra avo roa heny ny herin’aratra azo jifaina eto Madagasikara, 400 MW ho 800 MW. Fanambiny koa hatramin’ny taona 2023 ny hampiakatra 50 %-ny malagasy hampiasa angôvo azo havaozina sy manara-penitra, ka tsy hisy intsony Malagasy na iray aza hampiasa jiro kapoaka sy labozia. Ireny no ilazana fa IEM fampiesonana vahoaka satria na ny isan’ny mponina malagasy aza tsy fantany akory indrindra ny any ambanivohitra sy any anaty ala rehetra any, koa ahoana no ilazana fa ho nofy eto Madagasikara izany tsy fisian-jiro nentin-drazana izany afaka 5 taona?

Ireo mpitondra nifandimby rehetra koa dia samy nilaza tahaka izay, samy nanana ny vinany. Raha mba niakatra kely ny fari-piainan’ny Malagasy tamin’ny fotoana nitondran’ny filoha Marc Ravalomanana: 7,1% ny fitomboan’ny harin-karena anatiny faobe dia nadaraboka avy hatrany. Vina karazany maro no nandalo teto fa raha jerena kosa ity fitondrana TGV, MAPAR ankehitriny ity, dia vao mainka tsy hahita mangirana ny Malagasy, hilentika any anaty lavaka mangitsokitsoka ny firenena satria mitarazoka tsy tahaka ny vava mivoaka sy fihetsiketsehana bevata etsy sy eroa miampy atrik’asa fampiesonana isan-karazany ny fampandehanana ny firenena. Atao dridrangilo ny hoe Vina IEM daholo ireo tetik’asa ireo ho an’izay mahazo fitenenana eny amin’ny Radio sy Televiziona na ny mivoaka an-gazety ary indrindra ireo hilatsaka solombavambahoaka IRD, satria izay no baiko entina ilazàna fa tena hahavita sy mahay ity fitondrana ity. Ny zava-misy sy iainana anefa dia ny mifanohitra amin’izany ary sarontsaronana vary mora sy fanomezana kely tsy mahavita taona akory. Dia aleo isika samy hahita ny tohiny.