HCC – Isika Rehetra Domelina Miaraka @ Andry Rajoelina

IRD neken’ny Hcc – Tsy nisy izany Miaraka amin’i Tsiranana, na Miaraka amin-dRatsiraka, na Miaraka amin-dRavalomanana…
Rajaonarimpanontsana

Nandritra ny fitondrana lanim-bahoaka nifandimby teto dia tsy nisy mihitsy antoko nampitondraina ny anaran’ny filoham-pirenena iray manontolo, ka entina ampiasaina ho amin’ny fifidianana solombavambahoaka, fa dia amin’ny anaran’ny antoko tarihany tsy misy ny anarany hatrany no nampiasaina.

Nahagaga mantsy fa nankatoavin’ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana, na ny HCC, ny fampiasana ny IRD : na ny Isika miaraka amin’i Andry Rajoelina. Tamin’ny Repoblika voalohany dia ny PSD na ny Parti Social Democrate no nisy , tamin’ny nitondran’ny filoha Phillibert Tsiranana. Tsy nisy hoe: Isika Miaraka amin’i Tsiranana. Ny Repoblika Faharoa notarihan’ny filoha Didier Ratsiraka indray dia ny AREMA na Andry sy Rihana Enti-Manavotra an’i Madagasikara no nampiasaina. Tsy nisy ny hoe: Isika Miaraka amin-dRatsiraka. Teo amin’ny Repoblika fahatelo tapany voalohany notarihan’ny filoha Albert Zafy dia ny UNDD: na ny Union National pour le Développement de la Democratie no antoko nampiasainy. Rehefa tonga teo amin’ny fitondrana Repoblika Fahatelo tapany faharoa ny filoha Marc Ravalomanana dia ny TIM, na ny Tiako i Madagasikara no nampiasainy. Tsy nisy koa ny hoe, Isika Miaraka amin’i Dada, na Isika Miaraka amin-dRavalomanana. Ny Repoblika fahaefatra tapany voalohany nitondran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina dia ny HVM . Ity Repoblika fahaefatra tapany faharoa entin’ny filoha Rajoelina, mpanongam-panjakana ity ihany no misy anaran’ny mpitondra iray manontolo dia ilay antsoina hoe : Isika Miaraka amin’i Andry Rajoelina IRD, sy ny Mapar: na Miaraka amin’ny Prezida Andry Rajoelina, dia neken’ny HCC izany. Ilay IRD aza tsy misy D ilay hoe: Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina, dia hoy ny be vazivazy hoe: IRD= Isika Rehetra Domelina, …

Marina fa eo amin’ny pitsompitson’ny lalàna dia mety tsy voasoratra mazava izany kanefa kosa eo amin’ny saina tsy miangatra dia sarotra ihany ny tsy hinoana fa tsy hisy fitongilanana sy tsy fitoviana eo amin’ny samy mpilatsaka hofidiana solombavambahoaka. Ny antony tsy nampiasain’ireo filoham-pirenena teo aloha ireo ny anarany feno dia ny fahafantarany fa Filohan’ny Malagasy iray manontolo izay filoham-pirenena mitondra fa tsy filohan’antoko, na filohana vondron’antoko intsony. Ny lalàm-panorenana aza dia mandrara ny filoham-pirenena tsy hitarika antoko, na vondron’antoko politika, mba tsy hisian’ny mizana tsindrin’ila, koa mahagaga ihany ity fanapahan-kevitry ny HCC ity ankehitriny. Toa marina ihany ilay teny ataon’ny gazety mpiseho isan’andro iray hoe: Miala fa Vendrana ny Filohan’ny HCC sy izy ireo mihitsy.