EDITO 26 Marsa – Fanamarihana ny 29 martsa – andrasana ny tena marina momba iny raharaha iny

Soh’son

Miditra ao anaty fanamarihana ny andron’ny 29 martsa isika amin’izao fotoana izao. Niaraha-nahita ireny ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notanterahana teny amin’ny Fjkm Katedraly Analakely ny alahady tolakandrolasa teo, ka nifangaroan’ny olona teo anivon’ny fitondrana sy ny kristiana mpino ary ny olom-pirenena tsotra. Hisy ihany koa ireo hetsika samihafa ho entina hanamarihana izany amin’ny toerana samihafa. Rehefa dinihina lalina dia tsy mifankaiza amin’ny fanamarihana isan-taona hatrany no mitranga. Mpitondra miatrika fanompoam-pivavahana, dia miara-mahita ny vahoaka; hetsika isan-karazany izay hiafara amin’ny fametraham-boninkazo eny amin’ireo tsangambatona Ambohijatovo, na Mausole, na any Moramanga, na any amin’ny toeran-kafa manan-tantara ihany koa. Dia hisy ny kabary tsara lahatra sy ny mety ho fanomezana mariboninahitra na lelavola, sns…

Rehefa fehezina anefa ka tazanina ny vokatra dia ny eo ihany no eo. Izany hoe, ilay andrasana amin’ny fanamarihana ny andron’ny 29 martsa mihitsy no tsy mety mivoaka. Tsy inona izany fa ny marina momba iny raharaha iny. lza no natahoran’iza? Satria nihemotra tampoka tamin’ny ora farany ny tia tanindrazana teto Antananarivo notarihin­ dRainandriamampandry, fa nisy antony tsy hanafihana indray ny mpanjanatany frantsay tamin’iny andro voafaritra iny? Nipoaka ihany ny tany Manakara – Sahasinaka sy ny tao Moramanga ary nihazo an’iny faritra atsinanana iny, fa nahoana? Nisy ny Malagasy voafitaka ary nataon’ny Frantsay vono moka naripaka sy nampijaliana faran’izay mafy, ny rava fananana sy fianakaviana; nisy ny voalaza fa nisolelaka tamin’ny mpanjanatany sy nisolelaka tamin’izy ireo ary nahazo tombontsoa tamin’ny famadihana ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy, iza avy izy ireny? Nisy olona nampiasain’ny frantsay hanapotika ny Malagasy namany, aiza ireny? Nafenina mafy hatramin’izao ny isan’ireo Malagasy novonoin’ny mpanjanatany frantsay, fa nahoana? Tsy vonona handoa onitra amin’ny firenena Malagasy velively ny fitondrana frantsay ao anatin’izany, kanefa nekeny ny nandoa izany tany Alzeria, ary ny fitondrana hita ho tsy sahy mitaky izany, ary mbola tsy hanao izany izy amin’ity taona ity, fa nahoana? Tsy mivoaka hatrany ireny isaky ny tonga ny fanamarihana toy izao. lnona marina ary no tiantsika ahatongavana amin’ny fihetsiketsehana be isan-taona izao, izay tsy hita ho mitondra antsika mankaiza? Tsy mitondra antsika mankaiza satria, ny ratra naterak’izany tsy hita ho sitrana sy tsy mbola antenaina ho sitrana; ny fivoaran’ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina tsy hita ho mihatsara mba hiverina kokoa tamin’ny fahiny mampalaza ny Malagasy nandritra ny taona maro. Atao ambany maso tsy hita na dia be aza no mahalala ny tsy fifampitokisana eo amin’ny ankolafin’olona samihafa eto amin’ny firenena, izay niainga tamin’ny 1947 io ka mandraka ankehitriny. Zary aretina “homamiadana” mihitsy mikiky ny fiarahamonina io tranga io.

Raha bangoina, tsy mahasoa ny firenena mihitsy ny tsy famakiana ny “vay” na io aretina io. Raha tiana ny handroso marina tsy maintsy atao izay hitadiavam-bahaolana amin’ny fanasitranana ny “aretina” ao anaty fotoana fohy. Mba manao fanamarihana fotsiny ihany sy fisehosehoana ho an’ny sokajin’olona ny fanamarihana ny andron’ny 29 martsa raha ho toy izay efa nisy hatramin’izay hatrany no hatao eto.