EDITO 23 Marsa – Lalànan’ny serasera, hamboarina amin’ny maha-mety ny mpitondra indray

Rajaonarimpanontsana

Omena fe-potoana 2 volana hono ireo haino aman-jery tsy miankina tsy ara-dalàna hanao ny taratasy maha ara-dalàna azy ary mbola mihantona koa ny fangatahana vaovao, hoy ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana , Lalatiana Rakotondrazafy, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Averina dinihana indray ny lalànan’ny serasera ary iantsoana ireo tompon’ny haino aman-jery rehetra ny fanatanterahana izany.

Ireo fanapahan-kevitra ireo dia noraisina mba handrindrana ny sehatry ny serasera, hoy ihany, Ramatoa Minisitra. Tsy misy maharatsy izany fa ny tiana hotsindriana dia ity: tamin’ny fotoana nanaovan’ny mpanao gazety fanairana nidinana an-dalam-be nanomboka teny Soarano ka hatreny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza mahakasika ny fanoherana ilay volavolan-dalàna novain’ny governemanta ary natolotra nolanian’ny solombavambahoaka dia Ramatoa minisitra koa tao anatin’izay. Nisy mihitsy aza mpanao gazety nandohalika teo anoloan’ny lapan’i Tsimbazaza. Izany hoe, isan’ny nahita ny tsy rariny atao amin’ny mpanao gazety ny tenany, izy rahateo havanana amin’ny vavabe rehefa tsy metimety amin’ny eritreriny. Nahazo fanakianana taminy hatramin’ny filoha Rajoelina izay nanagadra azy sy i Fidèle Razarapiera. Nivadihany ny namany taty aoriana ary dia izy lasa minisitry ny serasera izao. Ny mahavariana dia rehefa tafajoro ny haino aman-jeriny sy ny mpiara-dia aminy dia izao manao fanambarana izao fa mbola mihantona ny fanokafana haino aman-jery vaovao. Fantany mantsy fa hisy mpandraharaha miomankomana hanokatra haino aman-jery, indrindra amin’izao fifidianana solombavambahoaka izao, ka dia aleo tapahan-tenda dieny mialoha sao hisongona ny haino aman-jerin’ireo mpomba ny fitondrana. Eo koa ireo haino aman-jery efa nijoro ara-dalàna, ka karohana fatratra indray ny hanakatonana  azy ireny amin’ny endriny samihafa, na ara-tekinika io, na ara-taratasy.

Efa mpahazo ny haino aman-jerin’ny mpanohitra sy tsy mitovy hevitra aminy rahateo izany. Raha ny lalànan’ny serasera na ilay Code de la Communication indray dia anisan’ny efa narafitry ny mpisehatra ny tontolon’ny asa fanaovan- gazety iray manontolo efa tany amin’ny folo taona lasa no eken’ny rehetra saingy izay minisitry ny serasera tonga eo amin’ny fitondrana dia manao izay saim-pantany ary ataony amin’izay mahamety azy. Izao indray dia haverina hodinihana indray io lalàna io. Atao tsinontsinona indray izany ve ireo tolo-kevitra avy tamin’ny mpanao gazety iray manontolo ka ovaina indray ary hamboarina amin’izay mahamety ny fitondrana.