Mandoa vola sa tsia ny mpiadina CEPE sy BEPC?

Taratasin’ny mpamaky ny Gazety Ny Valosoa Vaovao

Izahay ray aman-dreny ve no tsy mahazo resaka sa ny tale CEG sy sefo ZAP sasany eto Atsimondrano no manodinkodina resaka?

Ny minisitra dia efa nilaza mazava fa tsy andoavambola ny fiatrehan’ny mpiadina ny CEPE sy BEPC. Akory anefa ny hagaganay fa asaina mandoa 1500 ariary ihany ny zanakay hanala CEPE ary 2000 ariary ho an’ny hanala BEPC.

Raha anontaniana ny tompon’andraikitra dia milaza fa tsy misy vola ka tsy maintsy mitaky izay ireo ho fampandehanan-draharaha. Anjaran’ny ray aman-dreny sy ny mpiadina ve izany ny miantsoroka ny fampandehanan-draharaha amin’ny minisiteran’ny fampianarana?

Inona no tena marina fa mila valiny mazava sy hentitra avy aminareo any ambony izahay satria raha mba miteny sy mangataka fanazavana dia fandrahonana sy teny mahery no mba azonay avy amin’ireo talen’ny sekolim-panjakana ianaran’ny zanakay.

Randrianoely
Ray aman-drenin’ny mpianatra Atsimondrano