EDITO 14 Marsa – Tsy ny fianteherana amin’ny vahiny velively no hanatsara ny fiainam-bahoaka

Sôh’son

Miha-mahazo vahana miandalana, na dia atao ambany maso tsy hita aza, ny fanaovana ampihimamba amina sehatra na lalam-barotra iray na entana iray tato ho ato. Ireo vahiny no tena tsikaritra mifehy izany ary tsy izy rehetra akory fa sasantsasany amin’izy ireo ihany. Anisan’izany ny teratany frantsay sy karana, eny misy koa aza araka ny re, teratany italiana, saingy iretsy roa voalohany no tanisain’ny maro. Nahoana izy ireo no avela hahazo vahana toy izany hanao ampihimamba? Ary tsy mihevitra ny handamina izany toe-javatra izany hatreto ny fitondrana raha araka ny re amin’ny programan’asany sy ny fihetsiny. Izany hoe mbola hanjakazaka eo amin’ireo sehatra bahanany ireo izany izy ireo.

Ny manahirana ny saina anefa dia ny toy izany no nanenjehana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc tamin’ny fotoan’androny, ary tena novoizina mafy mihitsy izany hiditra any an-tsain’ireo olona na dia ny marobe amin’izy ireo aza tsy misy idirany amin’izany akory. Ny mbola olana ihany koa raha mahita izao toe-javatra izao, dia tsy tokony hohadinoina fa misy olom-bitsy amin’izy ireo no mifehy ny toe-karena Malagasy ka voafehiny hatrany amin’ny politikam-panjakana. Efa nisy teto izany ary mbola mety hitohy raha ny famelana malalaka ireo vahiny mpanambola hatreto hamaritra izay tany sy ny seha-pihariana ataony eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

Sarotra ny hino ny hahatsara ny fiainan’ny sarambabem-bahoaka raha tsy misy ny fiovam-penitra lehibe eto amin’ny firenena ho amin’ny fitsinjovana ny mpandraharaha Malagasy. Tsy ny vahiny no tokony ianteherana amin’ny fampandrosoana sy fanatsarana ny fiainam-bahoaka, fa raha izany dia mizotra hatrany ho amin’ny famatorana ny vahoaka sy ny firenena izany. Efa hita mantsy izany nandritra ny taona maro izay ary efa fantatra ny toe-tsain’izy ireo.