EDITO 9 Marsa – Andramena na bois de rose – Miandry ny manaraka ny rehetra

Rajaonarimpanontsana

Efa nambara teto amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao fa maherin’ny 60 eo ireo olona hosamborin’ny fitondram-panjakana amin’ny resaka fanondranana Boaderozy na andramena sy ny harem-pirenena teto. Dia ireny hitam-poko hitam-bahoaka ireny fa nisesisesy ireo voarohirohy amin’izany. Efa misy ny naiditra am-ponja ary eo koa ny mbola atao fanadihadiana eny amin’ny tobin’ny Zandarimariam-pirena sy eny anivon’ny Bianco ary ny PAC Pole Anti-Corruption.

Mihazakazaka tokoa ny raharaha fa ny mahavariana ny maro dia ireny ihany tokoa ve no ati-doha nikotrika ny fanondranana Andramena? Sa ny akamakama tsy azo kitihana. Mifangaroharo ao daholo mantsy na mpanenjika na ny henjehana ary raha ny fahitana izay dia toa iray tarika tao anatin’izany ny ankamaroany, ka izay tratra aloha dia any ambany Atsinanana, na Antanimora no mifika mangahazo maina, na any Tsiafahy mihitsy. Valifaty raha tsorina no fahitana azy sao koa hivadika ny rasa ka ilay mpanenjika indray no lasa any am-ponja. Izay tonga aloha koa moa no tompon-tanindrazana ary manana fahefana eo am-pelan-tanana hampihatra ny lalàna.

Betsaka no lasa mpanan-karena sy mpanefoefo tampoka nandritra ny fotoana nanondranan’izy ireo Andramena ary ny mahagaga dia tsy hita fototra ireo hazo sarobidy voaondrana na dia efa nisy aza ny nogiazan’ny fanjakana. Tsy hita popoka araka ny fiteny ireo harena ireo, izany hoe , iza ary no tena mpanondrana azy ireny? Izay no mahatonga ny maro manontany tena , manao hoe fa tany tsy misy fanjakana ve eto Madagasikara sa samy mpiray tsikombakomba avokoa na ny natao ho mpanenjika sy ny natao ho henjehana?

Toa lasa fihetsiketseha fotsiny ny fahitan’ny mpanara-baovaoa azy mba hoentina ilazana fa tena miady amin’ny kolikoly tokoa ny fitondrana. Inona indray ary no manaraka dia iza indray no ho samborina manaraka ao anatin’izany sarimihetsika mahavalalanina izany.