EDITO 26 Febroary – Politikam-panabeazana – Tsy mbola hita mazava ny fepetra raisina

Radafy

Olana maro samihafa no mitoetra eo anivon’ny seha-pampianarana eto Madagasikara. Tsy nahavaha olana firy izay teo aloha na dia nihambo ho mahay asa aza. Ankehitriny, miditra amin’ny governemanta vaovao isika ary minisitra vaovao no misahana izany fampianarana izany. Tsy hita mazava aloha izay vahaolana entiny hatreto ankoatra ny fanovana indray fotoam-panadinana ara–panjakana amin’ity taona ity. Tsy any loatra anefa no fototry ny olana eo amin’ity seha-pampianarana eto Madagasikara ity raha tena tomponandraikitra mahafantatra izany seha-panabeazana izany. Heverina fa mahafantatra izany loatra raha ny eo anivon’ny ekipan’ny minisitra, fa ny hany tsy aritra ambara dia zary miendrika gaboraraka mihitsy ity seha-pampianarana ity nandritra ny taona maro mandraka ankehitriny. Samy manao izay saim-pantany, toy ny ganagana misasa loha ireo sekoly tsy miankina. Ohatra iray amin’izany ireo sekoly eny amin’ny faritr’Itaosy iny, izay mampanahiran-tsaina ireo ray aman-dreny mampiana-janaka ao amin’izany sekoly izany.

Resaka iray lehibe manokana iny, fa ny tiana horesahina dia ny fanajana ireo fepetra sy lalàna samihafa izay tsy voahaja hatreto. Lalàna iray mbola manan-kery anefa tsy nohajaina hatramin’izao ny toerana hananganana sekoly. Ny saika hita matetika, dia na ilay sekoly no mijoro aloha, na ilay trano hafa izay tsy tokony hijoro toy ny toeram-pivarotan-toaka no eo akaikiny. Tsy misy anefa fandraisana fepetra noraisin’ny fanjakana momba izany. Tsy voahaja ihany koa hatramin’izao ny elanelana eo amin’ny samy sekoly miorina izay tena misy fepetra sy lalàna mamaritra ny momba izany. Tsy novahan’ny tomponandraikitry ny ministera izany zavatra izany teo aloha, fa ny nahamaika azy dia ny nanasazy sy nanagadra mpampianatra.

Fanampin’ireo olana ireo ny momba ny fandaharam-pianarana izay efa manomboka ho lany andro. Tsy hita ao anaty laharam-pahamehan’ny ministra ankehitriny anefa izany , indrindra ny Vinan’ny fitondrana Rajoelina. Izany hoe mbola hijanona ao anaty olana ihany hatramin’ny fotoana tsy voafaritra ity seha-pampianarana eto Madagasikara ity.