Arcade Analakely – Fiara miisa 18 tsy nanara-dalàna nesorina

Rajaonarimpanontsana

Taorian’ny fampitandremana nomen’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) afak’omaly an’ireo mpivarotra isan-karazany mampiasa iny Arcade sy ny Araben’ny fahaleovantena Analakely sy ny manodidina iny , toy ireo fiara maty, ny fiara amidy, ny fiara anaty Passage zébré, Bouffe Mobile, mpivarotra amoron-dalana, izay marihana fa tsy manara-dalàna sy tsy nahazo alalana avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Niroso nidina ifotony omaly, nampihàtra ny lalàna ny sampan-draharaha misahana ny fitaterana sy ny fifamezivezena DTMU, niaraka tamin’ny Easy Park, ny polisy monisipaly sy Nasionaly, ny mpamonjy voina ary ny avy ao amin’ny Intendant, ka fiara roa no naiditra fihibohana na fourriére satria fiara tsy nihetsika sady efa tsy mandeha intsony. Fiara 16 no nasiana Taquet d’Arrêt. Ireo mpivarotra tsy tafiditra ao anaty fikambanana tsy nahazo alalana avy amin’ny CUA toy ny Bouffe Mobile, ny mpanao Décodage, ny mpivarotra hani-masaka tsy ara-dalàna, ny mpivarotra fiara ,sns… dia noesorina avokoa ary samy nahazo fampitandremana.

Izao no natao, hoy ny Tale misahana ny fitaterana sy ny fifamezivezena eto an-drenivohitra Landy Raveloson, dia fametrahana sy fampiharana ny lalàna sy lamina izay efa nifampidinihana tamin’ireo mpiantsehatra rehetra efa ho herintaona sady fampiharana ny ara-dalàna araka ny efa tarigetran’ny Ben’ny Tanànana Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy. Hitohy ary tsy hijanonana hatreo izao hetsika fanadiovana sy fametrahana ny tany tan-dalàna eto an-drenivohitra izao ary entanina hatrany ny rehetra hanaraka ny fandaminana apetraky ny Kaominina mba hisian’ny fandrindrana mazava.