Ambatomainty Faritra Melaky – Omby 280 no lasan’ireo dahalo manodidina ny 20 mirongo basy

Serge

Omby 280 no lasan’ireo dahalo manodidina ny 20 mirongo basy ampolony, nandritra ny fanafihana nataon’izy ireo omaly, tao amin’ny tanànan’Ambonarabe Bedaba tokony ho tamin’ny 4 ora maraina.

Raha ny fampitam-baovao azo, tamin’ny mitatao vovonana omaly, tao amin’ny kizo antsoina hoe Kelilalina no nisy ireo dahalo sy ny omby, faritra iraisan’ny distrikan’Ambatomainty sy Tsiroanomandidy. Vinavinaina hizotra hiakandrefana any anelanelan’i Mahatsinjo sy Orimbato ny lalan’ny omby, raha ny nambaran’ireo mpanaradia. Mitaky fiarahamiasa amin’ireo mpitandro filaminana, izay toby miaramila natao hiady amin’ny asan-dahalo sy ny zandarimaria ao Bongolava ireo mpanaradia .

Hatreto dia vao mainka mirongatra ny asan-dahalo amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Hatramin’izao , efa iray volana no teo amin’ny seza fiandrianany miaraka amin’ny fahefana feno nomen’ny HCC azy, mbola tsy hita izay fandraisana andraikitra ataon’ny fitondràna TGV, nefa tamin’ny fampielezan-kevitra dia tany amin’ny faritr’i Bongolava iny mihintsy ny kandida Andry Rajoelina tamin’izany, niaraka tamin’ireo vazaha nanao fampisehoana ireo fitaovana hiadiana amin’ny asan-dahalo: puce sy drone ao anatin’ilay fandaharan’asa IEM nodradradraina. Manjaka ny tsy fandriampahalemana, mihinana ny IEM ny vahoaka satria tsy hita izay tena fandraisan’andraikitry ny fitondrana Rajoelina.