EDITO 7 Febroary – Raharaha 07 febroary : mbola hikobona ny marina

Sôh’son

Raharaha mbola mijanona ho tsy fantatra ny marina momba azy efa 10 taona katroka izao, ny raharaha 07 Febroary 2009.

Niainga tamin’ny fanasana ati-doha sy fitarihana vahoaka teny amin’ny kianjan’ny 13 Mey io raharaha io tamin’io andro io. Nataon-dry Andry Rajoelina mpanongam-panjakana sy ny ekipany tamin’izay fotoana izay, nandentehana tao an-dohan’ireo vahoaka tsy hihaino afa-tsy feon-dakolosy tokana dia ny nambarany ihany. Tsy nisy ny fisainana na kely aza hifampihaino sy hifanakalo hevitra tamin’ny fitondrana Ravalomanana fa ny novoizina dia ny fankahalana sy ny hanongana ihany. Dia notarihina niakatra nankeny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra ireo vahoaka “voafahan-dalitr’” ireo mpitarika. Tsaroana tsara ny antsoantso nataon’ireo mpanao gazety tao amin’ny Radio Mada tamin’iny andro iny sy fiangaviana ireo vahoaka mba tsy hiakatra eny, saingy antso an’efitra ihany izany, ny fanasana ati-doha ihany koa ny teti-dratsy samihafa efa tafapetraka tsara.

Mazava loatra fa tsy maintsy misy ny fisakanana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny toe-javatra toa ireny, indrindra izany hoe hanani-dapa izany. Tampoka tao anaty mbola fifampiresahana tamin’ny sakana fahatelon’ny mpitandro filaminana no nirefotra ny basy izay araka ny fanadihadiana miparitaka amin’ny tambazotran-tserasera dia tsy niainga avy eny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra. Nasosoka tao an-tsain’ny vahoaka Malagasy hatrany anefa rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ny mpanongam-panjakana fa Ravalomanana no tompon’antoka, ary nohamafisina hatrany ny fanaratsiana sy ny fankahalana azy. Nanamafy izay ny nisian’ ny fitsarana azy izay natao teny an-kalamanjana teny amin’ny 13 Mey sy namoahana didim-pitsarana. Mazava loatra fa tsy mitombina izany na dia ho an’ny olona tsy mahay lalàna loatra aza. Miendrika fanarontsaronana ny tena marina ny fahitana izany toe-javatra izany, ary nezahina hatrany izany tamin’ny fanamarihana io andro io isan-taona amin’ny fanaterana voninkazo eny anoloan’ny Lapan’Ambohitsorohitra.

Nahoana no tsy namaly sy nanaiky ny antson’ny filoha teo aloha noendrikendrehina ny amin’ny hisian’ny fitsarana manokana mihitsy, tsy miandany amin’iza na iza hanadihady sy hitsara ny raharaha ny fitondrana tetezamita nandritra ny taona maro naha teo amin’ny fitondrana azy? Ilay nampangaina efa vonona ny hiatrika fitsarana marina fa tsy mitanila toy ilay teny amin’ny kianja, ka nahoana no tsy natao izany? Fanontaniana maro toy izany no mandalo ao an-tsain’ny mpanadihady ny raharaham-pirenena amin’ny fotoana toy izao ary mikatsaka hatrany ny valin’izany.

Raha tsy mivoaka ny marina momba ny raharaha goavana toy itony 07 Febroary itony dia ho diso ihany ny tantara kendrena holovain’ny taranaka fara aman-dimby no sady hamitaka azy ireo ny taranaka “génération” niaina iny vanim-potoana maloka teto amin’ny firenena iny. Tsy hahasoa ny firenena velively anefa izany.