EDITO 29 Janoary – Ny RNM nodorana aloha amboarina

Rajaonarimpanontsana

Zava-dehibe tokoa ny finiavana hanamboatra ny Rovan’i Manjakamiadana, izay kasain’ny filoha Andry Rajoelina hotanterahana ary nahavelom-bolo ny mponin’ Antananarivo sy i Madagasikara mihitsy satria vako-pirenena. Deraina manokana izany ary ankasitrahana.

Raha tsiahivina ny tantara dia ny filoha Marc Ravalomanana no nanamboatra azy io rehefa rava nandritra ny fotoana ela. Tsy tontosa hatramin’ny farany anefa ilay fanamboarana fa tapaka antenantenany noho ny raharaham-pirenana iaraha-mahalala dia noho ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina tamin’ny taona 2009, ka nampiongana an’i Dada tamin’izay fotoana izay.

Izay eo ihany fa mba rahoviana no ho vitaina ny tranon’ny Radiom-pirenena (RNM), izay izy Andry Rajoelina ihany no nanome tso-drano tamin’ny nandorana ireo tranom-panjakana ireo tamin’ny Lundi Noir, ny 26 Janoary 2009, 10 taona lasa izay. Mbola ny filoha Marc Ravalomanana ihany koa anefa no nanavao ny toeram-piasan’ny TVM talohakelin’io ary tsy mbola vita tamin’izany ny fitokanana dia iny izy may nodoran’ny mpanongam-panjakana sy ny forongony iny. Ny tiana hambara dia tsy tokony hohadinoina ny fanatsarana io TVM sy RNM io fa mba manan-tantara ihany koa izany haino aman-jerim-panjakana izany.

Mpiasa maro no nandalo tao amin’io RNM sy TVM io, olona maro no nampiaina sy nanome vaovao ho an’ny vahoaka Malagasy iray manontolo tao ary nirakitra ny tantaram-pirenena mihitsy koa izany Radio Madagasikara sy Televiziona Malagasy izany. Indrisy anefa fa vokatry ny hasompoaran’ny tsy tia tanindrazana dia lasa lavenona toa ny Rovan’i Manjakamiadana ihany koa ny vakoka voatahiry rehetra tao.

Koa manainga ny hambompon’ny filoham-pirenena izahay mba hanao laharam-pahamehana ny fanamboarana ny Radiom-pirenena sy ny Televiziona Malagasy ihany koa mba tsy atao fitaovana fotsiny anatsaràna toerana na koa hiandrasana fifidianana solombavambahoaka sy Governora ny fanambarana nataony. Maika ihany koa mantsy ny fanamboarana azy io izay manaparitaka ny vaovao manerana an’i Madagasikara. Tsy azo adinoina fa volam-bahoaka no mampihodina io haino aman-jerim-panjakana io ary heverina fa rariny sy hitsiny raha averina amin’ny vahoaka ny fananany amin’ny alalan’ny fanatsarana azy.

Rahoviana Prezida no hatao izy io? Sa afindra any amin’ilay Tanamasoandro koa ny RNM sy ny TVM, ka afaka 5 taona vao ho hamboarina ?