EDITO 24 Janoary – Mibaribary fa efa vita mialoha ny fifidianana

Rajaonarimpanontsana

Mibaribary toy ny vay an-kandrina ary tsy takona afenina intsony ankehitriny, fa fandatsaham-bato fotsiny no nataontsika tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo.

Ny antony ilazana izany sy entina manamarina izay fanehoan-kevitra izay dia tsotra ary tsy hitady lavitra isika. Ny fiara Blindée marika Cadillac Escalade raitra sy manara-penitra , voatokana, nitondra ny filoha Andry Rajoelina dia tsy hoe novidiana maika teny an-tsena tany ivelany, fa efa nomanina mialohan’ny fifidianana . Volabe tsy toko tsy forohana ny vidiny ary efa nofandrihana mialoha fa tsy nalaina na novidiana teny an-tsenan’i Amerika akory, volana vitsivitsy mialoha no amandrihana an’izany ary tsy maintsy lasa ny vidiny, izay vao tong any fiara.

Izay ny voalohany , ny faharoa dia nampametram-panontaniana ny maro ihany koa ny nahatongavan’ny naman-dRajoelina, dia ny filoha Frantsay teo aloha, Nicolas Sarkozy, izay filoham-pirenena Frantsay am-perin’asa nandritra ny fitondrana Tetezamiitatra 2009. Ekena fa naman-dRajoelina ny tenany, fa mitondra inona amin’ny vahoaka Malagasy moa ny fahatongavany teto. Betsaka ny alaim-panahy fa haka ny anjarany amin’izay ity filoha Frantsay naloan’ny vahoakany ity ary tsy tafaverina teo amin’ny fitondrany intsony, na dia nisisika mafy aza. Mbola azo lazaina fa ambany vahohon’i La Frantsa isika ary mbola tsy mahaleotena ara-bakiteny.

Dradradradraina fa nandany ny volam-bahoaka ny Fiaramanidina Air Force One tamin’ny fotoan’andron’ny filoha Marc Ravalomanana, fa mba hevero kely fa mitovy amin’ny vidina fiaramanidina Jet Privé iray anie ny vidin’ity fiara Cadillac Escalade manara-penitra ity e ! Hamafisintsika eto ry vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana ary aoka hisokatra ny masom-panahintsika fa dia nentanina hifidy sy handatsa-bato fotsiny isika fa ny filoham-pirenena dia efa voatendry mialohan’ny fifidianana.

Rajoelina arak’izany dia filoha tsy voafidim-bahoaka loatra, fa filoha nolanian’ny CENI sy ny HCC.