EDITO 19 Janoary – Fitondrana miorina ambony fasika ny fitondran-dRajoelina

Helisoa

Kihon-dalana lehibe no hisy an’i Madagasikara manomboka anio 19 janoary 2019, satria filoha vaovao DJ, izany hoe mpampandihy sy avy nanongam-panjakàna ihany no hitondra an’i Madagasikara indray.

Manoloana izany, zavatra roa no mety hitranga, na ho any anaty lavaka mangitsokitsoka ny firenena sy ny vahoaka Malagasy maro an’isa ankoatra ireo manana fahefana mitantana ny firenena no handeha, na mba hahita ny anjara masoandrony ihany.

Tsy misy mirary ratsy ho an’ny firenena eto , fa raha ny zavatra hita aloha dia toa fanjakàna miorina eo ambony fasika ihany no misy eto amintsika manomboka eto, ka tsy misy antenaina aminy. Fifidianana nahitàna halabato sy hosoka marobe nisy porofo, saingy nosaronan’ny HCC sy ny CENI no ipetrahan’ny filoha vaovao hitondra ny firenena, ka mahalasa eritreritra ihany ny ahitàna fahombiazana amin’izany.

Vao naka ny fahefana dia halatra sy hosoka no nahazoana azy, hany ka lasa ohatra ratsy ho an’ny Malagasy efa trotraky ny fahantrana lalina tsy mahita ny lalan-kalehany intsony.

Efa nangala-bato ny filoha vaovao sy ny mpomba azy nefa mbola azo lazaina ho kely ihany ny elanelam-bato teo aminy sy ny kandidà Filoha Marc Ravalomanana.

Ireo mpanohana an-dRajoelina dia efa re fa efa misy mimenomenona sahady ankehitriny satria efa misy mitady ho voailika amin’ny fizaran-tseza. Izany rehetra izany dia tsy hampitombina ny fitondrana tarihany. Marobe ny fampanantenana nataon’ny filoha ankehitriny tamin’ny fampielezan-kevitra nataony izay efa niteraka resabe teto amin’ny firenena ihany. Koa miandry ny fanatanterahana ireny nofinofy nodradradraina ireny izao ny Malagasy fa aoka tsy hiteny hoe nofy ririnina ihany ireny a!