Ny mpandainga, ny mpangalatra, ny mpamono olona,… no tsy sahy mandray Baiboly

Andry Tsiavalona

Andro lehibe eo amin’ny tantaran’ny Firenena Malagasy ny sabotsy 19 Janoary 2019 satria hanamarika ny làlan-kizoran’ny mpitondra na hiverina amin’ny haizim-piton’ny fahotana rehetra ka vao mainka hanamafy orina ny fanjakan’ny kolikoly sy hamerina ny fafy lainga hangolena ny gasy marivo salosana ary mbola hivarotra ny Tanindrazana sy ny harem-pirenena, na mba hizotra amin-tahotra an’Andriamanitra amin’ny làlana mankany amin’ny fampandrosoana marina ny Firenena sy fisintonana ireo vahoaka 92% hivoaka ny lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana.

Raha ny kabary natao sy ny fanehoan-kevitra sasany vakiana any amin’ny tambazotran-tserasera aloha dia misy olom-bitsy izay heverina fa manohana mafy ny tsy tokony hisian’ny Baiboly sy ny Fanompoam-pivavahana amin’ny fianianana hataon’ny filohan’ny Repoblika satria efa nihodina tamin’Andriamanitra sy niaina tao anatin’ny fitiavan-tena ary nanan-karena tampoka tsy mazava tamin’ny fomba ahoana ny mpitondra vaovao. Ireo antokon’olona ireo izay zatra mandainga sy manafina ny marina amin’ny alàlan’ny fahaiza-mandahatra sy fiheveran-tena ho manana ny fahalalana rehetra ka mihevitra fa tsy misy mahatakatra ny hevim-petsy entina handemen-tsaina. Tsy misy matahotra an’Andriamanitra na ny hanao ny fianianana na ny hampanankery izany, fa manana andriamanin-kafa tompoiny izay heverina fa “anti-Christ”.

Ny tsara indrindra dia ny hanaovan’ny filohan’ny Repoblika IV vaovao “velirano” amin’ny vahoaka satria ny fianianana dia atao eo anatrehan’Andriamanitra Andriananahary. Any amin’ireo firenena tatsinana, tsy mino an’Andriamanitra, anisan’izany ny any Rosia, na ireo firenena efa niala tamin’ny fivavahana toa an’i Lafrantsa, no tsy mila mivavaka sy mamaky Baiboly intsony. Ny mpikambana amin’ny “franc maçonnerie” koa dia miseho ivelany ho mpivavaka kanefa voageja sy manao ny asan’i Satana eo amin’ny fiarahamonina, ka tsy manana toe-panahy (état d’âme) izy rehefa misy manakantsakana azy amin’ny tombontsoa heveriny ho azy. Tsara ho fantatr’izay mpitondra fa Fanilon’ny tongotra sy fanazavana ny làlan’ny olombelona ny Soratra Masina (Baiboly) satria ao no hanovozana ny fitondrantenan’ny tsirairay eo anoloan’ny mpiarabelona aminy.

Ny mpandainga, ny mpangalatra, ny mpamono olona,… no tsy sahy mandray Baiboly sy matahotra ny hihaona amin’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny Fotoam-pivavahana. Ny fianianana atao eny amin’ny fitsarana ataon’izay tokony hanao izany dia tsy mitovy lenta sy hasina amin’ny fianianana ataon’ny olona iray hitondra Firenena. Efa tsy tambo isaina intsony ny tranga izay mivoana tanteraka amin’ny fotokevitra mifehy ny kristianisma tato anatin’ny folo taona, ka tena nanohina mafy ny maro tokoa ny fanambarana fa tsy hisy Fotoam-pivavahana ary tsy hianiana amin’ny Baiboly ny filohan’ny Repoblika vaovao satria mbola hahazo vahana hatrany izany ny asa ratsy isan-karazany izay efa mampikaikaika ny vahoaka Malagasy. Tsy sitrapon’Andriamanitra izao fa kapoka ataony satria efa mihodina Aminy ny Malagasy.