LANONANA HAFAHAFA

LANONANA HAFAHAFA

Ailika tsy hahazo laka
Irony tenin’ny baiboly
Fa ireny dia tsy zakan’
Ny sakaizan’ny devoly ?

Dia miseho fa hoe maranitra
Ry zareo ery ambony
Ka tsy mila an’Andriamanitra
Amin-java-toy itony ?

Horaràna koa ny vavaka
(Fa izay no maha “laìka” ?)
Dia hivarina any an-davaka
Izato nosindrazantsika ?

… Aoka ihany hotenenina
Sy holazaina am-pahatsorana:
Vetivety dia hanenina
Ireo nifidy “fozaorana”.

Fa tandroka no tsy ampy sisa
Entina mba hilazana
Hoe hanjary hitombo isa
Ny sakaizan’i satana!

DADAN’i ZINA (14-01-19)