VALIN-KAFATRA

Tsy ny didim-pitsarana izay navoaka aloha no marina,
K’aza faly manafòka, manao teny tsy am-piheverana.
Be ny zavatra tsy nety sady hita fa namboarina,
Ka mba fero koa ny vava ry miseho ho avo toerana.

Tsy Iarivo no lazaina fa hoe Madagasikara.
(Ireo tsy nianatra aza angamba mahafantatra an’izany!)
Tsy voatery ihany koa hoe ny navoakanao mpitsara
Dia ho tena tsisy kianina fa mitombina hatrany.

Hafa ny mpitabataba, hafa ny olona mpandrava,
K’aza alahatra amin’ireny ny olon-kendry raha mitolona.
Ny anareo tsy vao omaly f’efa ela no nazava
Fa naleo i Barabasy toy izay ny Zanak’olona.

Ny tantara mbola hitohy na avo toerana aza ianao
Ry mihevi-tena ho mahay kanefa tsy ampy fahendrena.
Na ny fomba na fiteny, ‘ndeha diniho ka mba lanjao,
Fa raha izao dia ny avo ihany no mpanimba firenena !

SEDERA RAVALISON (10-01-19)