EDITO 12 Janoary – Nahazo lesona tsara avy amin-dRavalo ny mpiray tanindrazana

Sôh’son

Mizotra amin’ny kihon-dalana amin’ny fomba fiheverana sy fisainana hafa ny Malagasy ankehitriny amin’ny ankapobeny, taorian’ny fandalovana iny fifidianana filoham-pirenena iny. Tranga maromaro samihafa tsy mbola nisy hatramin’izay teo amin’ny tantaram-pirenena no manamarika izany.

Iray lehibe amin’izany, ohatra, ny fihetsika sy fiteny nataon’ny filoha Ravalomanana Marc ny Alarobia 09 Janoary hariva iny. Nasehony ny tokony ho fomba fisainana vaovao ara-politika manomboka izao eto amin’ny firenena, taorian’ny famoahana ny vokatra ofisialy ny fifidianana teny amin’ny Hcc Ambohidahy. Modely tsara napetrany ho an’ny mpanao politika rehetra eto amin’ny firenena izany, ary tsy eto amintsika ihany fa manerana an’i Afrika manontolo mihitsy ihany koa. Ankavitsiana sy mahalana no mba ahitana lesona tsara avy amin’ny mpanao politika toa azy toy izany eto amin’ity firenena ity. Teboka iray mampandroso ny firenena izany na tsy hita mivaingana anaty fotoana fohy aza.

Tranga iray hafa indray, ny fihetsik’ireo mpanohana azy tamin’iny famoahana ny vokatra vonjimaika avy teny amin’ny Ceni iny sy taorian’ny famoahana ny vokatra ofisialy teny Ambohidahy. Mendri-piderana ireny ary lesona tsara ho an’ny olom-pirenena manerana ny Nosy, na dia notsinontsinoavin’ny Hcc aza. Atao ahoana, tsy ho àry takatry ny saina avokoa ny zava-drehetra na dia miana-kendry ho tapi-pahaizana amam-pahalalana aza. Tsy mampiraika ny sasany mantsy ny efa fizoran’ity firenena ity nankany amin’ny fahasimbana ara-pisainana sy faharatsiana ara-piarahamonina asehon’ny herisetra sy habibiana mahatsiravina saika isan’andro vaky. Ny olom-pirenena vanona no mararirary amin’izany sy malahelo mafy mahita ny fireneny toy izany. Ka ireny fihetsika ireny tena mampitodika sy mampiverina ho any amin’ny lalan’ny fiainam-piarahamonina tsara nampiavaka ny Malagasy fahiny. Tsy lavina, mety tsy ho tratra intsony izany ka hiainana, fa mba misy tafaverina kely ireny hatsaràna ireny ary tena zava-dehibe ny fihetsik’ireo mpitaky ny fahamarinana. Azo inoana marimarina fa nisy firenena nanomboka nitodika taty amintsika tamin’ireny ary nisintona izany toetra amam-pihetsika tsara tamin’iny fotoana iny izany. Eny, fa na ny zava-misy ankehitriny aza.

Ny tany tsy ilaozan’adala, hoy ny fitenenana, saiky izy ireny hita ho niha-nitombo isa tsikelikely tato anatin’ny folo taona farany. Tsy nahavaha olana izany na kely aza ny fitsarana sy ny fonja, na ny toeram-pitsaboana samihafa. Porofo, tsy nivoatra nihatsara ny fiarahamonina teto amintsika. Soa fa teo ireto olona noresahana ireto mba nitondra anjara biriky lehibe ho amin’ny fivoaram-pihatsarana ho an’ity firenena ity.