09:00 > Kianjan’ny 13 Mey – Vaovao farany (40) – Fanentanana ho eny amin’ny kianja hiandry ny voka-pifidianana – Mpitolona voasambotra

Entanina mandrakariva ny vahoaka mitaky ny fahamarinana ho tonga eny amin’ny kianja androany faha-8 Janoary.

Eo amin’ny kianja ny mpitaky fahamarinana no hiandry ny voka-pifidianana izay ho avoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana androany amin’ny 3 ora folakandro.

Etsy ankilany dia nampakarina fampanoavana ireo olona fito nosamborin’ny mpitandro filaminana. Tsiahivina fa nitaky fahamarinana am-pilaminana izy ireo ary vesarina heloka toy ny fanohintohinana ny filaminambahoaka, fanimbana sy fanaovana herisetra amin’ny mpitandro filaminana.

Voatazona etsy Antanimora izy ireo amin’izao fotoana izao ary hiakatra fitsarana afaka roa andro.

Misy amin’izy ireo avy amin’ny faritra Tsiroanomandidy.