17:00 > Miara-mampita – Marc Ravalomanana – Tsisy firenena azo atsangana eto raha tsy mijoro amin’ny fahamarinana

Minoa ianareo ahy fa tsy maintsy hivoaka foana ny marina. Ary ny marina marina foana. Efa miantsoantso sy midradradra daholo ny olona rehetra hatramin’ny filoham-piangonana, ny olon-tsotra, ny “sociétés civiles”. Dia mahatoky sy mino aho fa hitsara amin’ny fitsaràna marina ireo ao amin’ny HCC ireo.

Miandry am-pitoniana ny voka-pifidianana rahampitso isika. Ho any amin’ny HCC aho rahampitso.

Izay marina izay dia tanjoko. Tsisy firenena azo atsangana mihitsy eto ambonin’ny tany raha tsy mijoro amin’ny fahamarinana aloha. Satria raha amin’ny hosoka, lainga sy zavatra tsy marina no hitondrana ny firenena, dia tsy haharitra mihitsy.