10:00 > Kianjan’ny 13 Mey – Fifidianana – Hetsika ho an’ny fahamarinana sy mangarahara

Eo amin’ny kianjan’ny 13 Mey ndroany 2 Janoary, andro faharoa amin’ny hetsika am-pilaminana fitakiana ny fahamarinana  sy ny mangarahara eo amin’ny voka-pifidianana.
“Miara-mampita” ny vaovao mivantana ny onjam-peo maro. Is an’izany ny radio MBS.
Nisy ny fivoriana vonjimaika handaminana ny paikady. Nisy tetika ratsy amin’ny alina hanalàna ny fitaovana toy ny écran géant ka nidiana ny kianja. Ankehitriny dia misy koa ny fanodinkodinana sain’olona fa any amin-toeran-kafa ny hetsika.
Manantitrantitra ny mpanome vaovao fa eo amin’ny kianjan’ny 13 Mey ny hetsika. Hisy ny toromarika toy ny fanolorona ireo mpiantsy ady amin’ny mpitandro filaminana.
Efa mandeha ny antso amin’ ny olona manodidina hanatona ny parvis am-pilaminana.
Maro ny olona efa tonga eo an-toerana ary eo koa ny mpitandro filaminana hiaro ny vahoaka.
Eo amin’ny kianjan’ny 13 Mey no ahafahan’ny olompirenena rehetra mamantatra ny halatra sy ny hosoka natao hanodinkodinana ny voka-pifidianana. Ho aseho amin’ny écran géant ny porofo mitohoka amin’ny halatra.