10:20 > Fifidianana maloto – Tranga (002) – 1 + 31 = 131

CENI: tompon’antoka tanteraka tamin’ny hala-bato ary nanao izay nampandaniana ny Kandida laharana faha-13.

Ireto amin’ny sary ireto dia misy PV miisa roa, 1/Ny PV miloko mavokely dia ilay atao hoe “souche d’exemplaire original” izay an’ireo “Délégués”, ny PV miloko mavokely no PV réels na PV physiques.
2/Ny PV miloko fotsy dia ilay atao hoe “PV scannés” ireo nalefa tany amin’ny SRMV,ity PV ity araka izany no niasan’ny CENI namoahana iny voka-pifidianana vonjimaika iny.

Araka ny hita amin’ny sary ary dia jerentdika tsara fa ireo PV miloko fotsy dia nampiana 1 na 2 mba ho tahaka ny hoe raha 31 dia nasiana 1 teo alohany 31 dia lasa 131.
Ireo birao fandatsaham-bato naharesy ny 13 rehetra dia nampiana izany avokoa.
Mbola santionany ireto amin’ny sary ireto, ary mazava fa nitombo ny isan’ny mpifidy ka tsy nitovy tamin’ny fiodinana voalohany.

Ary ny CENI mihitsy anefa no namoaka ny 15 Aprily 2018 fa tsy misy mpifidy vaovao intsony afaka misoratra anarana aorian’io daty.

Mbola hitohy!