00:00 > Tena tsy hilamina io!

Azo sainina avy hatrany,
Tsy hilamina ny tany
Raha mpangalatra no ekena
Hitantana ny firenena.

Tsy mba hisy ny mazava
Fa dia ho korontan-dava,
Raha dahalo zatra sabatra
No akarina an-databatra.

Notakonana ny marina,
Ny mavandy no nakarina.
Fahoriana no ho tazana,
Potika ny tanindrazana.

Tsy mba zava-nahamaika
Sady tsy mba nampiraika
Ny hitsabo sy hanasitrana
Izany ratra nampikitrana.

Nisy zava-nodinganina
Sy niniana nohamaivanina:
Dia ny atao hoe fampihavanana
Mialohan’ny fifidianana.

Ny tantara tsy hiato,
Raha vao misy ny hala-bato
Dia tsarovy, tadidio
Fa tena tsy hilamina io.

SEDERA RAVALISON