Fifidiana fihodinana faharoa – Tsy fanarahan-dalàna sy tsy fahatomombanana

Document PDF – Synthèse des irrégularités

𝗙𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗩𝗢𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗧𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔𝗡 – 𝗗𝗔𝗟𝗔𝗡𝗔 𝗦𝗬 𝗧𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗧𝗢𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗜𝗦𝗬 𝗡𝗔𝗡𝗗𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗛𝗢𝗗𝗜𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗔𝗛𝗔𝗥𝗢𝗔 𝗧𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗙𝗜𝗗𝗜𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗙𝗜𝗟𝗢𝗛𝗔𝗠-𝗣𝗜𝗥𝗘𝗡𝗘𝗡𝗔 𝗧𝗘𝗧𝗢 𝗠𝗔𝗗𝗔𝗚𝗔𝗦𝗜𝗞𝗔𝗥𝗔.

Ny 19 Desambra 2018 lasa teo no notanterahina ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena Malagasy. Maro ireo lesoka sy herisetra tsikarika nialoha, nandritra ary taorian’izany. Fifidianana izay azo lazaina fa lavitry ny mangarahara , tsy ara-demokratika ary tsy mitombona. Fifidianana nanjakan’ny kolikoly sy ny hosoka tanteraka. Manampy ireo ny firaisana tsikombakomba ataona kandidà iray amin’ireo mpiasam-panjakana ambony sasany hibaiko ny olona eo ambany fifehezany.

1 – Fampiasana ireo bileta tokana efa voamarika sy fanesefana mialoha ny vata fandrotsaham-bato.

2 – Fampiasana tsy an-drariny ireo kara-pifidianana tsy voazara, voatazon’ireo filoham-pokotany.

3 – Fandrafetana fitanana an-tsoratra diso

4 – Fandrebirebena saim-bahoaka

5 – Fampiasana herisetra

#FAHAMARINANA

#MANGARAHARA

#AROVY_NY_SAFIDIN_NY_VAHOAKA

#HO_AN_I_MADAGASIKARA🇲🇬🇲🇬