EDITO 27 Desambra – Fifidianana fihodinana faharoa – Nibaribary ny halabato nataon-dRajoelina

Helisoa

Fisaka ny marina ka sarotra tadiavina hoy ny ohabolana Malagasy, saingy tamin’ity fifidianana fihodinana faharoa ity dia napoitra ny halatra be vava nataon’ny kandida N°13 Andry Rajoelina, izay efa naparitaka tamin’ny haino aman-jery sy ny tambazotran-tserasera ho fantatry ny Malagasy manerana ny Nosy sy izao tontolo izao.

Mahavariana ny amin’ny tahan’ny fandraisana anjara araka ny nambaran’i Fanirisoa Ernaivo satria misy ny mihoatra ny 100%, nisy kosa ny avy any amin’ny 50% tamin ny fihodinana voalohany no tafakatra efa ho 100%. Hafa kely satria tany amin ny faritra nitarihin’ny kandida 13 no misy izany. Misy koa toerana lasa nitombo ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana, nefa tsy nisy fanitsiana ny lisi-pifidianana akory tamin’ity fifidianana fihodinana faharoa ity.

Maro ny zavatra lazain’ireo mpomba ny 13, fa ny tsy azo lavina sy tsy azony ovana dia efa nolazaina fa maro koa ireo hosoka isan-karazany nataon-dry zareo tamin’io fifidianana io! Ka na faly izy ireo na tsia dia ho apoitrantsika izany ary tsy avelantsika raha tsy mandresy ny tena marina, hoy fanirisoa hentitra.

Nangataka “confrontation” sy “vérifications” ary “comptage de voix” sy ny “bulletins uniques non utilisés” izahay ary dia nahazo alalana tokoa! Koa natao ireo “vérifications”, nomena ny “liste” ary aoka hazava, isika rehetra no niara-nahita, niara-naheno fa maro no olona novidiana handatsabato, na ny mpanaramaso iraisampirenena aza efa niteny izany nandritry ny fihodinana voalohany, mbola henontsika sy hitantsika ary nanerana ny nosy izany, nisy nitsangana vavolombelona! Ka hitanay tao koa rehefa nanao “vérification” izahay fa maro ireo “bulletin pré-cochés” na “cochés” nataon’olona iray nefa vaton’ olona maromaro! Hita izany ary efa nandraisanay soratra sy nisaina daholo!

Misy koa ireo nitaraina fa misy “bourrage-na urne”, ka fenoin-dry zareo bulletin laharana faha 13 ny “urne”, ka asesika ao izany dia soniavina olona tokana, na asiana petatondro miverimberina ny “liste”. Hita koa izany tao!!!!

Fehiny, mbola mitohy ny fidinana eny an-toerana ataon’ny ekipan’ny LEGAL TEAM K25 sy CO25 ary tsy avelantsika amin’ izao io fa ho fongarina ny hosoka rehetra ao, hoy hatrany ny “legal team” satria na dia vato tokana aza no voahodina dia efa tsy ekena izany. Tsy ireo tratra ireo ihany no hitantsika, fa marobe ny halatra, ka ho apoitrapotrantsika tsy hisy ho takona afenina ireny.

Hita ihany koa ireo fihetsika feno herisetra nasehon’ny mpomba ny 13 teny amin’ny CENI ireny ka raha tsy misy atahorany ve, inona no mampisahotaka azy ireo? Fa manahy mafy sao ho tratra ny hosoka sy lainga ka mandrovitsihy sahady! Fa tsy manakana na mahakivy antsika hanohy ny fiadivana amin’ny hosoka izany ka dia ho avoakantsika eto ary alefa any amin’ny ambaratongam-pitsaràna samihafa ny fitoriana mahakasika izay hosoka tratra, ho hita sy ho ren’ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy sy izao tontolo izao .