CENI – Tratra manova ny voka-pifidianan’ny boriboritany faha-VI – Ho sahy hanao mangarahara ve hampitaha ny “PV réels”?

Namoaka ny voka-pifidianana vonjimaikan’Antananarivo boriboritany faha-V ny CENI.

Tratran’ny mpomba ny K25 ny fanodikodinana ny vokatra ka raha nandresy ny kandidà laharana 25 Marc Ravalomanana tamin’ny taha 52%, dia io taha io indray no nomena ny kandida 13. Ary mody ny “PV scannés” no tadiaviny ampitahaina raha hisy ny fampitahàna.

Vao omaly hariva anefa no tonga ny “PV réels “eo anivon’ny CENI ka azo atao tsara ny mampitaha azy ireo. Ary ho tratra ny tetika fangalaram-bato.

Ka ho sahy ve ny CENI? Hangarahara tokoa ve ny CENI ka hanao ny fampitahàna “PV réels” eo anivon’ny voka-pifidianan’ny boriboritany faha-VI sa hamorona anton-javatra hafa toy ny fahasahiranana sns mba tsy hanatanterahana izany?