EDITO 22 Desambra – Fifidianana – Hala-bato manara-penitra

Rajaonarimpanontsana

Manjaka tanteraka ny hala-bato nandritra iny fifidianana fihodinana faharoa iny ary mihoatra ny fangalaram-bato natao nandritra ny fihodinana faharoa. Nibaribary tsy takona afenina loatra ny fomba nataon’ny mpomba ny laharana faha 13 . Nisy mihitsy ny fanoloana ny PV hosoka , ny kara-pifidianana sandoka, manginy fotsiny ny kara-panondro sandoka. Nisy mihitsy ireo olona tratra nanao izany ary ananan’ny mpomba ny kandida faha 25 porofo, miampy ireo vavolombelona sahy nijoro fa nampiasaina , nokaramaina vola hanao izany fanodinkodinana ny safidin’ny vahoaka marina izany.

Teo koa ireo depiote MAPAR nitondra « Gros Bras » nampihorohoro nitety Birao fandatsaham-bato maromaro , mandrahona sady mampihorohoro ireo mpifidy izay fantany fa tsy hifidy ny kandida Andry Rajoelina. Izy ireo ihany koa ( depiote sy ny Gros Bras) no mizara vola etsy sy eroa mba hampandany ny kandidany. Teto an-drenivohitra aza nahitana ireny tsy fanarahan-dalàna ireny , vao mainka fa ny any amin’ny faritra sy Distrika ary Kaominina lavitra rehetra any ! Ny zava-nisy tany amin’ny faritra dia avadika tsotra izao amin’ny alalan’ireo karazana “Doublons” sandoka ny voka-pifidianana . Mandeha mifidy tokoa ny olona ka ankoatra ny fividianana ny safidiny dia mbola petahana ihany koa any amin’ny PV, ka soloina tsotra izao . Ny Urne hafa efa feno voka-pifidianana mampandany ny laharana faha-13 no alefa any amin’ny SRMV sy ny CENI miaraka ny anjaran’ny HCC. Hala-bato manara-penitra tanteraka sady matipaika no ataon’izy ireo ary tena tambazotra matihanina no manao azy. Etsy andanin’izany ny vokatra avoakan’ny CENI koa dia manome vahana sahady ny kandida laharana 13 amin’ny famoahana voka-pifidianana avy any amin’ny faritra, ka ny laharana faha 13 hatrany no hasongadina mba hampandemena ny sain’ny vahoaka avy hatrany . Fomba sy tetika hampandaniana ny laharana faha 13 avokoa izany rehetra izany, ka ho mora foana ny hampiasaina ilay fomba maloto sy mamohehitra hangalaram-bato. Tetika efa nomanin’ny izy ireo avokoa ireo rehetra ireo ary raha manohitra izany ny kandida Laharana faha 25 dia ambarany avy hatrany fa mpanakorontana.

Tompon’andraikitra voalohany amin’izay mety hitranga eo ny CENI raha toa ka tsy mijoro marina amin’ny maha Mahaleotena azy tokoa satria miteraka savorovoro eo amin’ny sain’ny vahoaka . Ny filoha Marc Ravalomanana rahateo efa nanambara fa tsy hanaiky ny tsy rariny mihitsy . Tsy mendrika izany intsony ny vahaoaka Malagasy amin’izao vanim-potoana mazava be izao. Ny tsy maintsy atao dia ny fangatahana famoahana ireo porofo mivaingana mahakasika ireo hala-bato maro isan-karazany ireo. Mijoro vavolombelona ihany koa manambara tsy amin’ny tahotra ny tsy nety nandritra iny fifidianana iny ka hatramin’izao fiandrasana ny valim-pifidianana izao. Angatahana amin’ny CENI ny fanamarinana tena izy tamin’ireo vato narotsak’ireo vahoaka ireo. Tsy tokony hipetra-potsiny ihany koa ny Zakank’i Dada , manomboka any amin’ny tompon’andraikitra, ka hatrany amin’ny vahoaka iray manontolo. Tsy miandry sy mipetra-potsiny na mitsetretra fa handray andraikitra mba hivoahan’ny voka-pîfidianana tena marina .