21:20 > CENI – Manomboka ny fampitahàna PV

Ao anatin’ny fampitahana ireo PV ny CENI sy ny K25 amin’izao fotoana izao nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany hariva teo. Misy ny taratasy firaketana izany fampitahana izany isaky ny biraom-pifidianana. averina hatrany fa raha toa ka misy ny tsy fitoviana dia manao fitanana an-tsoratra iray ilazàna izay zavatra tsy lavorary sy tsy mitovy izay ny roa tonta ary ampidirina eny amin’ny fitsaràna misahana ny fifidianana izany hoe ny HCC.

Manatrika izao fampitahana PV izao ihany koa ireo mpanaramaso fifidianana izay tonga ety amin’ny CENI.