20:30 > Afa-po amin’izao vono olona ny mpomba an’i Andry Rajoelina


Ny 2 maty voatifitra tany Ankazoabo. Ny 1 voatifitra tany Fort Dauphin. Ity farany dia voatafika ary nofiraina ny sofiny, nototoana vody basy ny lohany nofiraina ny tanany, tany Mahitsy omaly. Ny iraisan’izy ireo? Samy K25 izy ireo. Samy mitana andraikitra amin’ny fanohanana ny filoha Marc Ravalomanana.

Dia mbola hisy sahy hilaza ve fa fifandrifian-javatra izao herisetra sy famonoana izao? Ary mba aiza moa ny fanadihadiana momba ireo nahavanon-doza? Sa tsy misy vidiny ny ra latsaka?

Eo amin’ny sary colonel Andriamanana Mamihanitra… K25 MAHITSY…sy Angelo K25 Fort Dauphin. mankahery hatrany izahay..

Nadia Raonimanalina