10:00 > Fifidianana – Fanambarana – SMM – Clément Jaona – Ny mpitsara eo anivon’ny SRMV

Misy fitarainana tonga any amin’ny sindikan’ny mpitsara fa misy ekipan’ny SRMV manokatra pli tsy eo anatrehan’ny mpitsara. Tsy azo atao izany.

Ny mpitsara no prezidan’ny SRMV sy tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fanokafana ny pli. Atao ampahibemaso, ifanatrehana sy manao ny observation rehetra.

Hain’ireo mpitsara ireo ny asany. Tsy tokony hisy ny hadisoana ho latsaka. Raha misy ny hadisoana, dia fanahiniana atao. Tsy tokony hiditra amin’ny zavatra tsy dia madio loatra ny mpitsara mba hiarovana ny hasin’ny fitsarana.

Antoky ny fahamarinan’ny fifidianana sy ny latsa-bato ary ny voka-pifidianana, ny fitsarana.

Raha misy mpitsara voatonotonona dia sahin’ny mpitsara avy ao amin’ny SMM ny mitondra ny raharaha any amin’ny CSM hanadiovana ny asan’ny fitsarana manomboka any amin’ny SRMV hatramin’ny HCC.

Ny olana dia tsy mametraka fanamarinana anaty PV ny délégué. Isaky ny ambaratonga dia manana solontena ny kandida ary manana zo hametraka an-tsoratra izay fanamarinana tiany atao. Ohatra raha misy nifidy tsy nitondra karapanondro dia tokony apetraky ny délégué anaty PV. Fa matetika tsy misy observation anaty PV fa tonga dia “rien à signaler”.

Ny fitarainana tonga izao dia momba ny tranga teo amin’ny SRMV iray. Tsy nahazo niditra tao anaty birao ny solontenan’ny kandida ary tsy mbola nisy mpitsara tamin’io. Noho izany tsy tokony azo vohaina ny pli. Izay izany dia tokony atao anaty observation. Kanefa tsy nahazo nanoratra tao anaty PV hono ny solontenan’ny kandida. Dia tokony ataony amin’ny taratasy manokana ny fitarainana miaraka amin’ny porofo, ary alefa any amin’ny HCC.